Other News

CCC Zone-7: Nanainga omaly ny delegasiona malagasy

Raikitra ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley, hatao any Maorisy. Fifaninanana izay tokony hanomboka anio saingy nasiana fihemorana iray andro noho ny toetr’andro any an-toerana. Ho an’i Madagasikara, omaly tamin’ny 5 ora hariva no nanainga hihazo an’i Maorisy ny delegasiona hiatrika ity fifaninanana ity. […]

Mantasoa: vehivavy Mafia mpangalatra tany nidoboka am-ponja

Mitohy ny ady amin’ny fangalarana tany ao Mantasoa. Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny olona telo, mpitarika ireo mafia mpampihorohoro ny tantsaha. Mampikaikaika ny mponina ao Mantasoa ny fangalarana tany. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa vehivavy no lehiben’ireo tambajotra any an-toerana. Nan­dritra ny taona maro no nanaovan’izy ireo izany, raha ny […]

TARATRY ny KANTO

« Feo roa, sehatra iray ». Rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCIvato ilay fiarahana an-tsehatr’i Denise sy i D-Lain. Hafa noho ny mahazatra, satria hatao amin’ny rindra miavaka daholo ireo hira nosafidian’izy ireo hampiaraham-peo. Efa ela ny famerenana, ka na ireo mpankafy aza efa dodona ny hahita ny vokatra […]

Tolo-kevitra : Nivoaka ny boky « Handroso i Madagasikara »

Omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, no namoahana ilay boky « Handroso i Madagasikara » fa amin’ny fomba ahoana? nosoratan-dRakotomahenina Nary Todison. Amin’ny ankapobeny, mirakitra ny tetikasa ho fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro ity boky vaovao ity. Ny Malagasy ihany no afaka hampandroso an’i Madagasikara… », hoy ny mpanoratra. Zavatra mora tanterahina izany. […]