Other News

Anisha Jo : Hisy seho fahatelo rahampitso

Mihira sy ampihirain’ny fitiavana i Anisha Jo. Mialoha ny hiverenany any Frantsa, hihaona indray amin’ireo mpankafy eto Madagasikara izy. Tsy mahafoy! Tena azo fehezina anatin’izay, raha ny fihetseham-pon’i Anisha Jo. Noho izany, hanatontosa seho fahatelo izy, amin’izao fandalovany izao. Manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny CCEsca Antanimena ity mpanakanto […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 84 ny tokantrano hafindra monina maimaimpoana ao amin’ireo toeram-ponenana vaovao natsangana eny Andavamamba. Hisitraka trano biriky izy ireo, ahitana jiro avy amin’ny herin’ny masoandro raha trano hazo no nipetrahany hatramin’izay. Hisy ny fotodrafitrasa hafa haorina, toy ny lalana, paompin-drano sy toeram-pidiovana, tsena, sns. Miisa 2 000 ny zana-kazo nambolen’ny ONTM […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: Manohana ny fambolena ny orinasa Sinomach

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vondrona orinasa sinoa, Sino­mach, sy ny governemanta malagasy, ta­min’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa) ary ny Rahara­ham-bahiny (MAE). Vo­toatin’ ny fiaraha-miasa ny fambolena amin’ny veleran-tany midadasika, ny fananganana fotodrafitrasam-pamokarana sy ozinina fanodinana ary […]

Famatsiam-bola Fec/FRD: Nahomby ny fandaharanasa

Nahafa-po ny zava-bitan’i Madagasikara ao anatin’ny fandaharanasa Findramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Fama­tsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fiovaovan’ny toetr’andro (FRD), antony nahatonga ny fankatovana ny fama­tsiam-bola mitentina 103 tapitrisa dolara (77,4 tapitrisa DTS) avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nitari­ka izany ny fanitsiana ny vidin-tsolika, nanomboka ny volana janoary 2025. Nahena […]

Tetikasa Mitao Forecast Africa : Mampihena 98% ny fahafatesan’ny mpanjono

Hipaka mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny hampihena ny taham-pahafatesan’ny mpanjono eny ifotony ny tetikasa Mitao Forecast Africa. Fantatra efatra andro mialoha ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny fampiasana ny Mitao Forecast Africa. Misy ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny takelaka miloko ny toetry ny andro (tableau agro-méteorologi­que) ho an’ireo […]