Iray tamin’ireo Rabaraona 6 mianadahy, nandrafitra ny tarika Les Surfs i Dave. Nodimandry any Canada izy, nanara-dia ireo anabaviny, izay niara-nitondra avo ny lazan’i Madagasikara taminy naneran-tany. Rako-drahomainty indray ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry omaly maraina mantsy Andriamamonjy David Yves Marcel, na i Dave Rabaraona. Tany Montréal Canada izy no nodimandry, […]
Other News
Alok’Tefson: « Mahaliana ny mpihaino Radio ny tantara mampatahotra »
Tao anatin’ny folo taona, nanomboka niverina ny fitiavan’ny Malagasy ny fihainoana tantara mandeha amin’ny Radio. Nanao ny ezaka mifandraika amin’izany rahateo ny mpanoratra. Iray amin’ireny i Alok’Tefson izay nitodika manokana tamin’ny tantara mampatahotra. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Mpanoratra, tanora, anisan’ny nisafidy ny hampivelatra ny tantara fandefa amin’ny Radio […]
SOMBIM-BAOVAO
Ny ekipan’ny Serbie no hidona voalohany amin’ ny Ankoay, lehilahy, mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, hatao any Thailande, ny 13 hatramin’ny 15 marsa izao. Ny ekipan’i Chine kosa no miandry ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Ekipa samy mafy ireo ekipa roa ireo saingy efa manoman-tena mafy […]
Volley-CCC Zone 7 : Miankina amin’ny toetr’andro ny lalao
Araka ny fandaharam-potoana efa fantatra, ny 1 hatramin’ny 8 marsa izao no hanatanterahina ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka aty amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), taranja Volley ball, any Maorisy. Noho ny fisian’ny andro ratsy any an-toerana anefa, misy fiantraikany amin’ny sidina mihazo an’i Maorisy izany. Araka izany, raha […]
Rugby-«Challenger series»: Tsy misy Malagasy hitsara ny lalao
Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Hampiantrano izany, i Afrika Atsimo, amin’ity. Araka ny fanadihadiana natao, tsy mbola misy mpitsara manana “niveau”, amin’izany eto Madagasikara. Fihaonana karakarain’ny World rugby mantsy ity fifaninanana ity ka ireo ao amin’ny “panel B” […]






