Other News

VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina mandritra ny roa andro, any Casablanca Maroc, ny “African Leadership Persons of the Year Awards (POTY 2024)”. Hetsika iarahan’ireo tomponandraikitra manerana an’i Afrika mahakasika ny fampiraisam-paritra sy fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana. Mitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Mafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Japon […]

Huawei ICT Competition 2024-2025 : Sivy mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Handray anjara amin’ny final regional, fifaninana “Hua­wei ICT Competition andiany faha-sivy”, ny 27 febroary izao i Madagasikara. Sivy mianadahy ireo handrafitra ny ekipam-pirenena izay hifanandrina amin’ireo firenena 13 hafa. Handray ny lokany any Johan­nesbourg, ny volana avrily, sy miomana amin’ny dingana farany, «Global final» atao any Shenzhen-Sina, ny volana mey, […]

Mahajanga : Hatao ny lalana mankany Amborovy

Nanomboka ny talata 18 febroary teo ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN54. Lalana mirefy 8 km miainga ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatrany amin’ny seranam- piaramanidina Amborovy. Asa natao voalohany ny fandrangotana ny arabe, mitohy any amin’ny fandravonana sy ny asa samihafa, miafara amin’ny fandrakofana godirao. Ho vita mialoha ny tapaky ny […]

Tatitra EITI : Avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny 43% ny fanondranana

Manana ny lanjany ara-toekarena ny sehatry ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Mibahan-toerana ny fanondranana fasimainty, maherin’ny 538 000 t ny naondrana tany ivelany, ny taona 2022. Namoaka ny tatitra, ny 20 febroary teo, ny Rafitra iraisam-pirenena mo­mba ny fangaraharana amin’ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany (EITI) ho an’ny taom-piasana […]

« Rallye 2025 » : Ilaina ny «licence compétiteur»

Mialoha ny hanombohan’ny taom-pilalaovana 2025 amin’ny hazakazaka fiarakodia «Rallye», tsy maintsy manana kara-pilalaovana ara-dalàna na «licence compétiteur» avokoa ireo mpanamory handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena. Fanome­zan-dalana avy amin’ny Fé­deration sport-automobile de Madagascar (FSAM), izany. Misy karazany io kara-pilalaovana io, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara. Eo ny kara-pilalaovana nasionaly, natokana […]