Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina rahampitso, eny Mahitsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fiara, kodiaran-droa, Motocross Enduro. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny Moto (FMaM), natao « Endurance Cram » ny anaran’ny fifaninanana. Tsiahivina fa ity ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny sokajy Enduro. Hatao anio, eny amin’ny Akademia nasionalin’ ny fanatanjahantena ANS […]

« Afrobasket 2025 » : Resin’i Côte d’Ivoire, 106 no ho 73, ny Ankoay

Nanomboka omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana faran’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Resin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, 106 no ho 73, ny ekipan’ny Ankoay Madagasikara. Tsy mbola tao amin’ny Ankoay ny vintana, nandritra ny andro voalohany, dingana faran’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket 2025”. I Kiady, i Sitraka, i Faralahy, i Johan ary […]

TARATRY ny KANTO

Ilay finiavana politika no tsy misy. Atosika mafy. Omena hery sy vahana ny fananganana sekoly miteny sy mampiasa ny foto-panabeazana frantsay eto Madagasikara. Ho an’ny « Reny Malala », zarany aza mbola afaka mamatotra zanatany amin’ny lafiny maro izy. Fa ny Malagasy? Manahirana sy mety hamotika ny taranaka malagasy ny fampiasana ny […]

Kabeson’ny Ampanjaka Toera : Ho tonga eto ny voalohandohan’ny avrily

Kely sisa! Nizotra antsakany sy andavany ny paikady rehetra hampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, sy ny an’ireo miaramilany roa lahy, izay miranty ao amin’ny Musée des Hommes any France, amin’izao fotoana izao. Nisy indray ny fihaonana teo amin’ny fianakavian’ny Ampanjaka sy ireo olobe Sakalava, niaraka tamin’ireo olom-boafidy avy amin’ny faritra […]

« Lunar Codex 2025 » : Hisy zavakanto alefa eny amin’ny volana !

« Manonofy ny kintana amam-bolana », hoy ny Malagasy izay… Fa ity kosa tsy nofy intsony satria tetikasa ambivitry ny hotanteraka, satria efa aman-taonany no nanomanana azy. Natao hanangonana tahirin-javakanto maro karazana, avy amin’ny firenen-drehetra, ka halefa ho voatahiry eny amin’ny volana ny « Lunar Codex 2025 ». Misy sanganasan’ny mpanakanto malagasy 10 ao […]