Other News

Herinaratra tapaka : Trano iray kila forehitra, olona iray naratra

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina indray tao amin’ny fokontany Depot fahefatra, parisela 23/44, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Tonga ara-potoana namono ny afo ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina fa indroa tsy tafiditra tany amin’ilay toerana nitrangan’ny firehetana. Ni­tarika olana tamin’ny famonoana ny afo izany satria nanao tifi-davitra tamin’ny alalan’ny fantsona mitondra […]

Renim-pianakaviana novonoina : Nalevina sy hita teo an-tokotany ny fatiny

Hita nalevina teo an-tokotany iray, any Ambohitranjavidy, Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny vata-mangatsiakan’ny renim-pianakaviana, efa tsy hita nandritra ny fotoana ela, afakomaly. Razana efa potika sy efa simba tanteraka no hita nandritra ny famongarana azy tao. Raha ny fantatra, tsy hita popoka nanomboka ny volana marsa 2024 io ramatoa io. […]

Zaza varira nisy naka an-keriny : 17 ireo voasambotra, raikeliny ihany ny iray

Ravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ilay zaza varira, dimy taona, very tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, ny faran’ny herinandro lasa teo. Mahatratra 17 ireo tompon’antoka tamin’izany. Tratran’ny polisim-pirenena tany amin’ny lalam-pirenena faha-12, tao Ambila, 20 km miala an’i Manakara, afakomaly tamin’ ny 10 ora alina, ireo nangalatra sy nitondra ilay […]