Mitentina 12,5 tapitrisa dolara ny tohana ara-bola omen’ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad) sy ny Axian Telecom ho an’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara, Tanzanie ary Sénégal. Ny 10 tapitrisa dolara natao hanohanana ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miisa 22 000 izay hampiasana ny Mvola. Natao ihany koa hanamorana ny fahazoan’ireo […]
Other News
Antontanisa sy antontan-kevitra : Misokatra ho an’ny rehetra ny « PortES »
Ilaina ny fanangonana ny antontanisa sy ny antontan-kevitra mahakasika ny lafiny toekarena sy sosialy. Manamora ny fanapahan-kevitra horaisina ny fananana azy. Mivoatra ny sehatry ny antontam-baovao. Misy ankehitriny ny tahirim-baovao manangona ny antontan-kevitra sy ny antontanisa efa nisy hatramin’izay amin’ny lafiny toekarena sy sosialy eto amintsika. Hanampy ny tsirairay amin’ny […]
Raindahiny amin’ny fisolokiana : Tratra i Delary sy i Odilon, mpisandoka ho zandary
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, omaly, i Jacques Delary sy Ranaivo Arison Odilon, mpisandoka ho zandary. Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela tao Toamasina izy roa lahy ireto. Heloka hanenjehana azy ireo ny fisolokiana sy fisandohana ho manamboninahitra zandary ary fampihorohoroana olona amin’ny alalan’ny antso […]
Tolom-panafahana 29 marsa 1947: Nosokafana ny fivorian’ ny komitim-pankalazana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly maraina, tao amin’ny trano fivorian’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), ny fivorian’ireo komity teknika mpanomana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Fankalazana ny faha-78 taona ny hetsi-panafahana ny amin’ity taona 2025 ity. Nanokatra ny fivoriana tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny amiraly Assany […]
SOMBIM-BAOVAO
Voafidy ho Judokas mendrika indrindra maneran-tany, taona 2024, ilay teratany japoney, i Chirsta Deguchi, eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg, vehivavy. Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny famaranana ny fifaninanana «Grand Slam de Paris», ny faran’ny herinandro lasa teo, izany. Hankalazaina ny 6 febroary izao ny Andro maneran-tany ho […]






