Other News

Ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala: «Aoka halavirintsika ny fankahalana…»

Niatrika ny fotoam-pivavahana niaraka tamin’ireo kristianina etsy amin’ny FLM 67 ha ny ben’ny Tanàna, Ra­manantsoa Harilala, ny alahady teo. Nanao antso avo sy nanentana ny rehetra ny tenany, tamin’izany, ho amin’ny fifanomezan-tanana sy ny fi­fanampian’ny samy mpino. Nambarany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ ny rehetra ny varavaran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra […]

Mamboly ihany!

  Anisan’ny departemanta iray ifantohan’ny Politikan’ny fanjakana malagasy, ankehitriny, ny fizakan-tena ara-tsakafo. Mitarika ny ezaka amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Milofo amin’ny voly vary sy ny fampitomboana ny vokatra ny mpitondra sy ny tantsaha. Mampivelatra sy manome vahana ny voly vary safiotra izy ireo. Misy ny fizarana masomboly mahakasika […]

Filoha Rajoelina Andry: «Hanampy anareo ben’ny Tanàna aho»

Hanampy ireo ben’ny Tanàna ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana miantefa any amin’ny vahoaka sy ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fe-potoam-piasan’izy ireo. “Natao ny fifidianana, ary matoa ianareo lany dia ankasitrahan’ny vahoaka, mamim-bahoaka, voafidim-bahoaka, indrindra miandrandra fampandrosoana avy aminareo ny vahoaka izay iantsorohanareo ny adidy masina eo anivon’ny kaominina misy […]

TSELATRA

Roa lahy namaky orinasa teny Ivandry nalefa eny Antanimora, omaly. Nanaovan’izy ireo latsak’alina, lasany ny tablette niampy camera, hatramin’ny akora fa­namboarana trano, toy “carreaux”. Niroso tamin’ny fikarohana ny polisy ka tratra ny roa lahy tompon’antoka. Nahi­tana ny entana halatra rahateo tany amin’ny trano fonenan’izy ireo. Jiolahy nikasa hanendaka sady handroba […]

Namira antsy raim-pianakaviana : Jiolahy roa voasambotra, karohina ny namany

Tra-tehaky ny zandarimaria teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy tompon’an­toka tamin’ny famirana antsy raim-pianakaviana iray. Na­ratra mafy, tataky ny zava-maranitra, ny tarehin’io lehi­lahy lasibatra io rehefa izy hamonjy fodiana niaraka tamin’ny vady aman-janany teny Mahazo, ny alin’ny 30 janoary, tamin’ny 11 ora alina. Name­traka fitoriana izy taorian’ny fitsaboana. Nifanindra an-dalana tamin’izany, […]