Other News

FANTINA sy FINTINA

Hanomboka hitsara ireo fifanolanana ara-pifidianana ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana ny fiandohan’ny volana marsa izao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola mandray ny fitoriana izy ireo hatramin’izao. Maherin’ny 20 izao ireo fitarainana voarain’ny filankevi-panjakana hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny hetsika fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanamboarana izany ho an’ny kaominina Ivato. Nambaran’ny […]

Fampandrosoana eny ifotony: Nakana hevitra ny drafitra fanajariana

Notanterahina tetsy Ano­sy, tao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana fakan-kevitra. Ta­fiditra ao anatin’ny famolavolana ny Drafitra ifotony ho fanajariana ny Tany (Dift) izany. Miisa valo ireo toerana sy kaominina misitraka izany any amin’ny faritra Androy. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina […]

Fahantrana… mampandroso

  Ny fahasahiranana na ny fahantrana lalina sy maharitra ve no anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana tato ho ato amin’izao? Tonga hatramin’ny hala-boty etsy sy eroa amin’ny faritra sasany. Misy ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aripaka. Na ny fianakaviana ihany no anaovana fakana an-keriny na takalon’aina […]

Praiminisitra Ntsay Christian : « Mijery ny maha olona ny fitondram-panjakana »

“Mijery ny maha olona ny fitondram-panjakana. Anisan’ny zavatra nanakianana an’i Madagasikara eo amin’izany fanajana ny zon’olombelona izany ny fiaimpiainan’ny famonjana eto Madagasikara.”Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fitokanana ny fonjaben’Ikelivondrake, Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka tamin’ny taona 2019, ezaka ma­robe no nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fa­metrahana fitsarana ambaratonga voalohany […]

TSELATRA

Maty tsy tra-drano, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo ny fiara nentiny omaly hariva ny mpamily fiara fitaterana zotra F iray. Mpandeha fito naratra ary efa nalefa notsaboina eny anivon’ny HJRA Ampefiloha, rehefa avy noraisina tao amin’ny CSB2 Alasora. Nivarina tany anaty hantsana, tamin’ny lalana mihazo an’i Dialambo, kaominina Alasora ny fiara […]