Jiolahy roa lahy ikoizana amin’ny fanendahana mitam-piadiana niara-lavon’ny balan’ny polisin’ny SAG tetsy 67 Ha sy Paraky, ny zoma 14 febroary teo. Nanao fisafoana teny amin’ireo toerana voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra ny mpitandro filaminana. Anisan’ny efa namoahana didy fikarohana rahateo noho ny asa ratsiny izy roa […]
Other News
Antanambao Manampotsy : Taolam-paty miisa 500 navoaka tao am-pasana
Tra-tehaka ireo taolam-paty nisy nandroba tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kominina Antanambao Manampotsy, ny alin’ny alatsinainy 10 febroary teo. Nandritra ny fanarahan-dia sy fikarohana ny manodidina, hitan’ny fokonolona sy zandary tao anaty ala ny taolam-paty miisa 500. Nojerena ifotony tao anatin’ny fasana ka voamarina fa ireo toerana nisy ny […]
Trafikana Cocaïne, 16 Miliara ariary: Maorisianina telo sy Malagasy dimy naiditra am-ponja
Saron’ny zandarimariam-pirenena misahana ny ady heloka bevava, ny faran’ny herinandro teo, ireo zava-mahadomelina (Cocaïne) milanja 16,45 kilao. Olona sivy, mpiray tsikombakomba voasambotra. Mitentina 16 miliara mahery ireo zava-mahadomelina sarona ireo. Zava-mahadomelina mahery vaika avy any Pakistan saika haondrana antsokosoko any Nosy Maurice ireto tratra ireto, raha ny tatitra avy amin’ny […]






