Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « World Cola PFL ». Maro ny fihaonana handeha amin’io fotoana io, saingy ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny Avenir Ste Anne sy ny CFFA Andoharanofotsy. Hatao etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus, By-pass izany, rahampitso. Nahemotra […]

Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Miray vondrona i Rocher sy i Racle

Tontosa omaly, tany Aix-en-Provence France, ny antsapaka amin’ny famaranana lehibe taranja tsipy kanetibe, « Passion pétanque française (PPF 2025) ». Nozaraina ao anaty vondrona efatra ireo ekipa 16. Fantatra fa tafaraka ao amin’ny vondrona faharoa ny ekipa misy ireo frantsay, i Dylan Rocher sy ny an’i Quintais ary i Montoro, sy ny […]

Lalao sakana “XXL Top 12”: Famaranana kely ny an’ny Tam sy ny TFMA

Hitora-jofo ny Kianja Makis Andohatapenaka, amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra eo izay ekipa tafita amin’ny lalao sakana “XXL Top 12”. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny donan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA (Boaikely manohitra). Hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny Kianja Makis An­doha­tapenaka, ny lalao sakana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, […]

Ben’ny Tanàna Ampitatafika: “Tena ilaina ny vola fanampiana ho an’ny kaominina”

Tena ilaina ho an’ny kaominina ny vola fanampiana. Anisan’izany, ny lafiny karaman’ny mpiasa. «Mahavita sy tena ilaina ny vola fa­nampiana ho an’ ny kaominina rehetra, izay nangatahin’ireo ben’ny Tanà­na ho 50 000 000 ariary», hoy Ramparaoelina Rado, ben’ny Tanàna voafidy indray tao amin’ny kaominina Ampitata­fika, nandritra ny fametrahana samboady tetsy Bemasoan­dro […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitaky ny hanamafisana ny fiarovana ny indostria eto an-toerana ny Sim manoloana ny tombana vaovao momba ny politika ara-barotra eto Madagasikara, nanomboka ny alarobia teo. Tanjona ny hiarovana ny tsena eto an-toerana manoloana ny fifaninanana. Mbola sarotra ho an’ny indostria ny manondrana ny vokatra any ivelany manoloana ny faharatsian’ireo fotodrafitrasa […]