Raikitra indray ny fotoana fambolena hazo eto amin’ny tanàna. Samy serintseriny avokoa ny mpiasam-bahoaka, eny anivon’ny minisitera sy ireo rantsamangaikany. Manao izay ho afany amin’ny fandrakofana ny vohitra, samy mikendry ilay famerenana an’i Madagasikara maitso. Dia rodorodo goavam-be tokoa anie no ataon’ny minisitera rehetra. Milamina sy mipetrapetraka ery ny […]
Other News
Tetikasa TAFITA – MFFT : Hizara karatany maherin’ny 60 000
Nozaraina omaly, tany amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe, ny karatany miisa 25 668, amin’ny alalan’ny tetikasa Tafita. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nambaran’ireo nandaha-teny fa anisan’ny nampihena ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ankazobe iny izao hetsika izao. “Tsy misy intsony […]
TSELATRA
Tafaverina eny anivon’ny fianakaviany ilay mpanao gazety nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Morondava, omaly. Niverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana ao an-toerana. Marihina fa sary nalain’io mpanao gazety io no antony niteraka ny fisamborana azy, araka ny loharanom-baovao. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny lehilahy namono nahafaty zaza vao […]
Behoririka : Voasambotra ireo olona telo nandroba orinasa
Nangalatra ordinatera tao amina orinasa iray ao Behoririka, olona telo tra-tehaky ny polisy. Tratra teny amin’izy ireo ny entana halatra rehetra. Voasambotry ny mpitandro filaminanana ao amin’ny boriborintany faharoa, etsy Ambohijatovo, ny alarobia 5 febroary teo, ireo olona telo noho ny halatra sy vaky trano. Nitrangana vaky trano tao amin’ny […]
Moto nifandona : Lehilahy iray maty, iray hafa tsy mahatsiaro tena
Nitrangana lozam-pifamoivoizana iray tetsy amin’ny Digue Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Moto roa, scooter sy moto routière no nifandona ka nitarika ny loza. Niseho teo amin’ny fokontany Andramiarana, kaominina ambanivohitra Antehiroka, tsy lavitry ny tetezana mihazo ny kaominina Ambohitrimanjaka ity tranga ity. Niray lalana ireo kodiaran-droa ireo fa niova […]






