Other News

« Penthatlon Moderne » : Mikasa hiatrika fifanintsanana iraisam-pirenena

“Vina ny handeha …!”. Nambaran-dRandriamalala Nathalie, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Penthatlon moderne, fa manana fikasana ny hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro ny federasionina. Anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fandefasana atleta malagasy dimy, roa vavy sy telo lahy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, any Hongrie, ny 25- 29 jona ho avy […]

VAOVAO TAMBATRA

Manana valatahaka ahitana fambolena sy fiompiana, ny Sekolim-pirenena ho manamboninahitra lefitra (ENSOA) Antsirabe. Teknika tsotra, mora ampiasaina ary tena mahomby sady azo ampiharina na aiza na aiza no atao. Santionany ny fanodinana ny tain’omby be ronono ho lasa angovo biogazy, ka hihena hatramin’ny 60% ny kitay andrahoana ny sakafon’ny miaramila […]

Banky iraisam-pirenena : 200 tapitrisa dolara hanarenana ny fitaterana

Mitentina 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola omen’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Mada­gasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana ny lalamby mampitohy an’Antana­narivo sy Toamasina, mirefy 371 km. Ny fanamboarana seranan-tsambo manakaiky ny renivohitra mba hanamorana ny fivezivezen’ny entana. Eo koa ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Maha­janga sy Toliara. Ao anatin’ny […]

Sava : Fahazoan-dalana hanondrana lavanila

Asa vitan’ny fitondrana Fanavaozana tato anatin’ny fotoana fohy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana ny fanafoanana ny ampihimamba. Nilaza ny minisitra Andriamadison Haingotiana, omaly, tany Antalaha, fa mahatratra 324 ny fahazoan-dalana nozaraina, ankehitriny, raha 90 monja izany, nandritra ny fitondrana teo aloha. Notsorin’ny filohan’ny kaoperativan’ny mpamboly lavanila, fa « tsy […]

Omnis : Tsy maintsy amidy eto an-toerana ny solika any Tsimiroro

Rafi-panjakana miahy ny fitrandrahana akoranafo stratejika ny Omnis. Teren’ny fehezan-dalàna mifehy ny solika, hamatsy ny tsena anatiny ny kaompania, toy ny Madagascar Oil, mitrandraka any Tsimiroro. Nampahatsiahy ny fehezan-dalàna 96-018 ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo stratejika (Omnis), ny tale jeneraly, ny général de Brigade Andria­ntaolo Tsilavonjato Honoré, omaly. Voalaza […]