Other News

TSELATRA

Lehilahy efatra, malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy, voasambotry ny polisy, tetsy amin’ny tsenan’Anosibe, ny 27 avrily 2026 tamin’ny 9 ora maraina. Raha ny fantatra, efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika noho io asa ratsy io izy ireo. Mitondra hareza sy paingotra izy ireo mandritra ny asa ratsy ataony. Omby […]

Antsalova: Raim-pianakaviana maty voatifitra

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambaravarantany, kaominina sady distrikan’Antsalova, faritr’i Melaky, ny 27 avrily teo. Miala 2 km mivoaka ny tanàna io toerana nifanenan’ny dahalo tamin’ny olona nanaovany herisetra io. Roa lahy no lasibatra tamin’izany, araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy […]

Mahamasina : Voaroba ny solosaina tao anaty fiara

Novakian’ny olon-dratsy ny fiara iray nipetraka teo Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Najanon’ny tompony fotoana vitsy monja teo amin’io toerana ampitan’ny Kianja Barea, ny fiara. Nihidy avokoa ny varavarana rehetra. Nanararaotra anefa ireo tontakely ka novakiny ny fitaratr’ilay fiara nipetraka teo amoron-dalana. Nalainy ny solosaina tao anatin’io […]

Fandefasana mpiasa any Maorisy : Lehilahy iray naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ny lehilahy iray, tompon’antoka amin’ny fandefasana mpiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Nahazoany vola amina tapitrisany maro izany. Niakatra teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy Anosy, omaly, ny lehilahy iray mpisoloky, milaza fa afaka mandefa olona hiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Naiditra vonjimaika am-ponja, ny tenany taorian’izay. […]