« Mandoro vola isika », hoy ny filoha Rajoelina, nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha. Nohazavainy fa, satria lany hanampiana ara-bola ny orinasa Jirama ny volam-panjakana, tokony hampandrosoana ny vahoaka. Vahaolana haingana sady maharitra ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro, mitotaly 100 MW fanampiny ho an’ny tambajotra RIA, ka […]
Other News
Afaka iray volana sy tapany raha ela indrindra: « Tsy maintsy ahena 750 Ar ny kapoakan’ny vary hafarana »
« Tsy maintsy atao izay hampihena ny vidim-bary ao anatin’ny iray volana sy tapany raha ela indrindra, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena malagasy nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly ». Ampidinana hatrany amin’ny 750Ar ny kapoaka ny vary hafarana ka hiara-hiasa amin’ireo mpanafatra ny fitondram-panjakana, araka ny torimarika napetraky ny […]
Tselatra
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny dahalo raindahiny iray tao Bemasoandro, fokontany Soa Iombonana, kaominina Talata Tsimadio, distrikan’Arivonimamo, omaly maraina. Mpameri-keloka, efa voasaringotra tamin’ny fanafihana tao amin’ny tanànan’Ambohimasina izy. Mpanendaka nandroba telefaonina voasambotry ny zandary, tao Toamasina, ny alin’ny talata 7 janoary teo. Nosintomin’io tontakely io ny finday teny amin’ny […]
Toamasina: tovolahy voafonja nandositra
Manaraka fitsaboana manokana ao amin’ny sampana fitsaboana saina eo anivon’ny hopitalibe Toamasina ny lehilahy iray efa voatsara tamina raharaha heloka bevava. Nandositra ny tolakandron’ny talata 7 janoary teo ity tovolahy ity. Voatazona ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, nahazo alalana manokana hanaraka fitsaboana saina eo anivon’io hopitalibe an’i Toamasina io ity farany. Nifatotra […]
Renim-pianakaviana voaroba: lasan’ny jiolahy ny vola 3 tapitrisa Ar
Norobain’ny jiolahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny ramatoa iray ka lasa ny vola 3 tapitrisa Ar tao Morarano, Toamasina, omaly. Hamonjy toeram-piasana, nosakanan’ ireo roa lahy io renim-pianakaviana io. Nambanana tamin’ny basy avy hatrany izy, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Nitohaka tao an-damosiny, raiki-tahotra ilay lasibatra ka nanome ny poketra nisy […]






