Rehefa ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely tahaka izao, mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny mividy vatomamy sy sokolà. Fomba efa fanao ho mariky ny fifampizarana hamamiana sy hafaliana eo amin’ny isan-tokantrano sy ny isam-piangonana izany amin’ny ankapobeny. Andro iray sisa no isaina dia ho tonga ny fankalazana ny fetin’ny Noely. […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Maherin’ny 47% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ho an’ny faritanin’Antsiranana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana ny sabotsy teo. Nanteriny fa tsy mpifahavalo akory ny kandidà. “Mpifaninana ireo ka ny mandresy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina”, hoy izy. Mitarika vonjimaika ao Mahajanga, araka ny voka-pifidianana […]
Minisitra Mara Volamiranty Donna : « Fanakorontanana ny hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana »
“Fanakorontanana saim-bahoaka sy kajikajy politika diso ny firesahana hoe tsy fahatomombanan’ny fifidianana, fa nizotra araka ny fenitra demokratika izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Sersera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governamanta, i Mara Volamiranty Donna, tao amin’ny RNM, afakomaly, momba ny namoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana […]
Krismasy !
Mila hifangaro ny hoe krismasy sy krizy mafy amin’izao? Na efa saika zary fomba fitenin’ny sasany ny hoe krismasy ao anaty krizy mafy… Ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny maro amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny fidangan’ny vidim-piainana, ohatra. Voalohany sy lehibe amin’izany ny vidim-bary. […]
Voka-pifidianana : Mampitandrina izay manely vaovao diso ny Emmo/Nat
Manoloana ny fiparitahan’ny vaovao diso momba ny voka-pifidianana, mampitandrina ireo minia manao izany ny Emmo/Nat. Miteraka savorovoro sy korontana izany, araka ny nambarany. Ankehitriny, misy minia manaparitaka vaovao diso eny anivon’ny tambajotran-tserasera sosialy momba ny valim-pifidianana, araka ny nambaran’ny komandin’ny Zandarimarim-pirenena, ny jeneraly Rakotomalala Jean Hubert, notronin’ny avy amin’ny Tafika […]






