Simba tototry ny fasika ny tohodrano mizara ho lakandrano any amin’ny reniranon’i Manambaroha, any amin’ny distrika Manakara, faritra Atsimo Atsinanana. Zara raha misy 30 ha sisa ny velaran-tany azony tondrahana any amin’ ny lemak’Ambaniala. Manatanteraka ny fanarenana azy ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana […]
Other News
Toekarena manga : Mikatona ny jono oratsimba
Voarara ny fanjonoana, famarotana, fividianana, fitaterana ny oratsimba amin’ny endriny rehetra manomboka ny 01 janoary misasakalina ka hatramin’ny 31 marsa misasakalina. Voakasik’izany ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany. Noho izany, mila manambara ny tahiry ananany eny amin’ny biraon’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy, […]
Andrebakely Ambatondrazaka : Voamboana 31 sy hazoala 26 tratra
Mbola mitohy ny fandripahana ala any Ambatondrazaka. Tsy handefitra mihitsy anefa ny fanjakana ary tsy maintsy hampiharina ny sazy farany henjana. Hazo sarobidy voamboana miisa 31 sy hazoala miisa 26 indray no tra-tehaky ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Alaotra Mangoro, tany Andrebakely Avaratra, Ambatondrazaka, faritra […]
Lomano-« Meeting de l’Océan Indien » : Nahazo medaly volamena sy alimo i Tianaina
Nigadona teto an-tanindrazana, ny talata 31 desambra lasa teo, ny delegasionina malagasy niatrika ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lomano. Fifaninanana natao tany La Réunion, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nifaninana, nandritra izany, Rakotomalala Tianaina, izay nahazo vokatra tsara. Medaly volamena iray sy alimo iray no norombahiny. Mbola nahavita […]
SOMBIM-BAOVAO
Ho fanomanana ny “Chan” amin’ny volana febroary, efa miatrika « stage bloqué » nanomboka omaly, ny ekipan’ny Burkina Faso. Ao Dar Es Salam, ao Tanzanie, izy ireo no miatrika ity karazana fampivondronana mihiboka ity, raha ny loharanom-baovao ary efa saika feno tanteraka ireo mpilalao miatrika izany. Voatendry ny alarobia lasa teo, ny […]






