Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 11 desambra teo, ny fampindramam-bola mitentina 165 tapitrisa dolara an’i Madagasikara, andiany fahatelo. Hanamboarana fotodrafitrasa mba tsy hampitoka-monina ny any atsimon’ny Nosy sy aty Afrika io vola io. Tanjona ny hanamorana ny fifanakalozam-barotra eo amin’ny seranan-tsambon’i Toliara sy Beira atsy Mozambika. […]
Other News
Fizahantany : Sambo 10 handalo an’i Ehoala
Nisokatra ny 6 desambra teo, ny vanim-potoan’ny fizahantany, ho an’ny faran’ny taona 2024. Nisantatra izany, ho an’i Taolagnaro, ny fahatongavan’ny sambo vaventy, MS Hebridean Sky, mpitondra mpizahatany. Nijanona roa andro, ny 6 sy 7 desambra teo, ity sambo ity ary nikisaka any Toliara avy eo. Hiverina any Taolagnaro indray ny […]
Fampandrosoana ny sehatra tsy miankina: Voafaritra ny paikady mandrafitra ireo vina
Hiara-hiasa ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena. Fantatra ireo paikady stratejika hanatanterahana ny asa sy ireo vina apetraka ho an’ny taona 2040. Hampakatra 7%, isan-taona, ny tahan’ny harinkarena, hampandray anjara 30% ny sehatry ny indostria, eo amin’ny harinkarena faobe ary hampiakatra 15% ny tahan’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hisy velakevitra arahina adihevitra eny amin’ny Institut de civilisations, Musée d’art et d’archéologie Isoraka, anio amin’ny 10 ora maraina. Mahakasika ny « Vadin’Anarandray » eo amin’ny Betsileo ny lohahevitra hofakafaikana, tarihin’ny Dr Rakotorahalahy Njaka Elisabeth, mpikaroka ao amin’ny ICMAA. Heverina fa mahaliana ny maro, satria mahakasika rafi-piarahamonina ny lohahevitra. Ingahibe Tselonina, etsy […]
« Antsika hisôma »: Hisongadina ny fanodinana ny plastika
Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny « Antsika hisôma ». Hetsika tanterahina anio sy amin’ny 20 desambra izao. Ny fikambanana Kolo Kitra sy ny Madagaslam, miaraka amin’ny IKM no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany. Kendrena ao anatin’izany ireo ankizy sy tanora. Atrikasa, vaky boky, fifaninanana, fampianarana hanodina harona […]







