Miantraika betsaka eo amin’ireo mpandraharaha madinika sy ny fidiram-bolany ny delestazy. « Nihena ny asa famokarana nataon’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) tao anatin’ny 12 volana farany », hoy ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama). Nandroso sosokevitra ny amin’ny tokony hifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny filohany, Rakotondrasanjy Rivo. Misy amin’ireo […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Tonga tany Ibity Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny alakamisy 12 desambra teo, ireo vahiny mpamorona hetsika ara-pizahantany. Azo atao any an-toerana, hoy izy ireo, ny fandehanana an-tongotra (trekking) ahafahana mahita tontolo mahasondriana, ny tanànan’i Manandona. Tafiditra ao anatin’ny Madagasikara Uncharted, iarahan’ny ONTM sy ny Where Is This ny hetsika, hanarahana ny […]
Fiovan’ny toetr’andro: Azon-dRakotoarivony Viviane ny loka P4H
Misongadina i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Azon-dRakotoarivony Viviane ny loka voalohany « Sary ho an’ny maha olombelona 2024 » na « Photography 4 Humanity » (P4H). Iarahan’ny Firenena mikambana ho an’ny zon’olombelona sy ny fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny tontolo iainana, RHRN Climate, ny fikarakarana ny fifaninanana. Tanjona ny hanasongadinana ny fifandraisan’ny fiovan’ny toetr’andro […]
QMM: 4 tapitrisa dolara ho an’ny sosialy
Misy ny fifanarahana vaovao eo amin’ ny orinasa QMM sy ny fanjakana malagasy, hampiroboroboana ny sosialy mipaka eny ifotony. Anisan’izany ny famatsian-drano, ny jono, ny fanabeazana, sns. Nisy atrikasa tany Taolagnaro, ny herinandro lasa teo, niarahan’ny orinasa QMM sy ny fanjakana malagasy. Niompana tamin’ny ezaka ataon’ity orinasa ity amin’ny lafiny […]
TARATRY ny KANTO
Nivoaka ny faran’ny herinandro teo indray ny hiran’ny Cyphaka, avy amin’ny Zaza Rap Taiza. « Tsy ho bado » no lohatenin’ity hira ity. Hira izay miresaka mahakasika ny fanabeazana sy fampianarana eto Madagasikara. Eklips, Kipikilahy Bandaem, Tovolah, Geoscar, Mashmanjaka, Fab’s, Big Jimdah, Septic, Bolo, Ratsilahy ary Printsy no niaraka nanatontosa izany. Lasa […]






