Mitombo 2,1 % ny fanjifana solika amin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra navoakan’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures). Be mpanjifa indrindra ny gazoala ary mitombo hatrany ny fampiasana azy. Porofo iray ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Nahatratra 563 167 m3 ny solika lany nandritra ny enim-bolana voalohany […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Notsikerain’ny depiote sady lehiben’ny fanoherana, Randrianasoloniaiko Siteny, ny mpitondra. «Amin’ny tany repoblikana sy demokratika rehetra, na ny mpitondra mahita vahaolana na ny mpitondra mametra-pialana manoloana ny tsy fahombiazana azo tsapain-tanana tahaka izao eto amintsika izao», hoy izy. Manodidina ny 28% eo ny taham-pahavitrihan’ ny mpifidy tamin’ireo fifidianana ben’ny Tanàna eto […]
Antoko Fiombonan: “Tokony hitandrina amin’izay lazainy ny filoha”
“Tokony hitandrina ny filohan’ny Repoblika manoloana ny zavatra lazainy. Satria filohan’ny Repoblika izy. Raha minisitra no misy fampanantenana ataony amin’ny vahoaka, mbola azo eritreretina hoe ny Praiminisitra mety hiaro an’ izay minisitra solafaka amin’ny teniny izay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka politika sady sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin. Nizara […]
Grefy sadasada
Mitohy ny fiainana! Tsy mahasakana ny andavanandron-dRamalagasy tsy handroso izay jiro sy rano tapaka. “Mandeha ny mandeha”, hoy ny fitenin-jatovo tsy mivaky loha tanteraka amin’izay miseho. Mijonjorombona avokoa sisa ny fomba fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tsy misy tanjona fa rehefa voky ny kibo dia ampy izay. Rehefa midaboka ny […]
Hetsi-bahoaka amin’ny jiro sy rano : nokianin’ny depiote mpanohitra ny fihetsiky ny Emmo/REG
Nokianin’ireo depiote mpanohitra teny Tsimbazaza, omaly, ny fihetsiky ny Emmo/Reg, manoloana ny hetsi-bahoaka amin’ny olan’ny jiro sy rano. Nitondra valin-kafatra momba izany ny mpitandro filaminana. Notsiahivin’ny delege misahana ny zandary, ny Jly Rakotondrazaka Andry, nanoloana ireo depiote fa ahitana vondron-kery telo: Tafika, polisy ary zandary ireo mpitandro filaminana ahetsika amin’ireny […]






