Other News

TARATRY ny KANTO

Voatendry ho talen’ny Lovako i Narijaona Elda, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Dah-Mama. Ankoatra ny maha mpanakanto azy, efa nisahana ny toerana maha mpiasam-panjakana ambony teo anivona departemanta maromaro izy, nialoha izao fanendrena azy ao amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izao. Tsiahivina fa Loharano Otrika Vola ho an’ny […]

PoppyHarp – Angleterre: Hifaninana ny sanganasan’i Nantenaina Vakamiarina

Misongadina tsikelikely eo amin’ny iraisam-pirenena ny mozikan’i Nantenaina Andria­mo­rasata, mpitarika ny Vaka­miarina. Nampiditra ny sanganasany amin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny famoronana mozika ho an’ny zavamaneno harpe izy. Maromaro ireo mpifaninana maneran-tany, saingy voafidy tao anatin’izany ny ” Lonely”. Hilahatra amin’ny sangasan’ireo mpanakanto avy any Etazonia, Brezil, Australie, Espagne, sns, ity mozikan’i […]

Prix Paritana 2024: miatrika fiofanana any Frantsa Irimboangy

Manaraka fiofanana any Paris Irimboangy, Malagasy mpahay kanto. Tombony ho azy sy ny mpanatalenta tahaka izao ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana “Prix Paritana”. Tanterahina mandritra ny telo volana ao amin’ny Cité internationale des arts ao Paris Frantsa, ny fivahinianana arahina fiofanana sy fanatontosana ny tetikasa « ‘Ridô – dévoiler les souvenirs» an’i […]

Taranja malagasy: hampiofanina ny mpampianatra

Ao anatin’ny 12 taona nianarana ny taranja malagasy (Taona 1 hatramin’ny kilasy famaranana) ny zanaky ny Malagasy, kanefa, sady tsy mahay fitsipi-panoratana ny teny malagasy no tsy mahafantatra ny fomba malagasy, tsy mahay miteny malagasy! Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana mandrafitra ny taranja malagasy misy ankehitriny. Tsy hahita vokatra tsara amin’izany, […]

Felana Rajaonarivelo: mitohy ny fahombiazan’ny Debout 

Notontosaina ny 2 hatramin’ny 6 novambra 2024, ao Lomé Togo, ny « Emergence Films Festival” andiany faha-11. Nisolo tena an’i Mada­gasikara tao anatin’izany i Felana Rajaonarivelo, tamin’ny alalan’ny horonantsary fanadihadiana Debout! Horo­nantsary miisa 33 nizara ami­na sokajy efatra no voafantina nifaninana tamin’izany fifaninanana izany. Firenena 15 avy eto Afrika sy Amerika […]