Other News

« Festival du Mois de la Photo » : hanehoana ny lanjan’ny saripika

Anisan’ny vavolombelon’ny tranga iray ny sary. Ilaina anefa ny mamantatra ny fototra sy ny fenitra amin’ny fanatontosana azy. Izany indrindra no antom-pisian’ny « Festival du Mois de la Photo », ho fampiroboroboana izany ao anatin’ny fenitra tena izy sy matihanina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Fran­çaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina nanomboka omaly, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Anisan’izany ry Njiva, Amada, Tony, Dadafara, Lalaina sy Nina ary i Rado. Tsia­hivina fa hivoaka tsy ho ela ny lisitry ny ekipa nasionaly malagasy. Nifarana ny alahady 2 novambra […]

Rugby « Women’s Seven Africa » : ambony ny herijika ho an’ny Makis Ladies

Hanainga rahampitso amin’ny 3 ora maraina, etsy Ivato, hihazo an’i Ghana, ny ekipam-pirenena malagasy Makis Ladies. Hiatrika ny fifanina­nana afrikanina “Women’s Sevens Tournament (W7T)” izy ireo. Sokajy vehivavy, lalaovin’ olona fito izany. Hotanterahina any an-toerana ny 9 sy 10 novambra ho avy izao. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, tetsy […]