Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jungle War”, taranja kick boxing, ny delegasiona malagasy. Atleta roa no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Ny 9 novambra izao, ao amin’ny Emerald Casino, Vanderbijlpark Afrika Atsimo, no hanatanterahina ny fifaninanana “Jungle War”, eo amin’ny haiady kick boxing Full Contact. […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nanao fanambarana fanohanana ny kandidà atolotry ny Irmar ny fikambanana Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Nambarany fa anton’izany ny ho fanohizana ny asa soa sy ny fahitana fa mahafa-po ny asa vita tao anatin’ny fotoana fohy ka hanomezan’izy ireo tanana ny kandidà eto an-dRenivohitra, Ramanantsoa Harilala. […]
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Lasa fitaovana politika ny delestazy”
“Mbola hamafisinay fa misy amin’izao ny manao sabotazy. Iniana atao izany mba hanosoram-potaka ny fitondram-panjakana. Ampiasain’ny sasany ny olana amin’ny delestazy hanakorontanana. Ampiasaina ho fitaovana politika izany amin’izao”. Io ny fijerin’ny loholona Tsiebo Mahaleo, teny Anosy, omaly, ny amin’ny mbola fisian’ny deletazy eto Antananarivo taorian’ny fidinan’ny filohan’ny Repoblika ifotony teny […]
Miady irery
Tsy hay intsony ny hamaritana ny hoavin’ilay firenena. Sahirana, hita ho miady irery ny filohan’ny Repoblika. Izy daholo no manenjika an’i Babay sy Lohavohitra. Hany olon-tokana mihazakazaka etsy sy eroa mitady izay hivoahana amin’ny kirizy sosialy mianjady ankehitriny. Tsy afa-miala rahateo tamin’ny lokaloka maro isan-karazany, nandritra ny fampielezan-kevitra. Lehilahy […]
Tontolon’ny fitsarana : efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny minisitera sy ny SMM
Tsy hitokona na hampitsahatra ny asany ireo mpitsara. Nisy ny dinika niarahan’ny sendika sy ny minisitera. Ho fitsinjovana ny vahoaka izany, hoy izy ireo. Efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbitanarivo, teny Anosy, omaly. Na […]






