Nivoaka amin’ny fanginany ny antoko politika, Madagasikara endrika vaovao (Maeva). Nambaran’ny filoha mpanorina, Raharimanana Mamy, fa manana foto-kevitra telo ny antokony. “Ilaina ny fijerena ny maha olona sy ny manodidina azy ary koa ny lafiny lalàna”, hoy izy. Nanteriny fa naharesy lahatra ireo mpikambana manerana ny Nosy, nanomboka tamin’ny nijoroany […]
Other News
Fivoriana mikato-trano eny Ambatoroka: hampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ireo eveka
Hitohy amin’ny herinandro ambony io ny fivorian’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), eny Ambatoroka. Anisan’ny hodinihin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ka hampitan’izy ireo hafatra ho an’ny vahoaka malagasy sy ny kristianina. Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fihaonan’ireo eveka ireo. Anisan’ny efa nataon’izy ireo ny fiatahana Masina “Recollection”, afakomaly. Hitohy amin’ny […]
Voka-pifidianana any Etazonia : Tsy hanova ny fifandraisana diplaomatika
Voafidy ho filoha faha-47 an’i Etazonia ny kandida repoblikanina, Donald Trump. Tsy ampiova ny fifandraisana misy amin’i Madagasikara sy Etazonia izany. “Azo atokisana fa tsy hisy ny fiovana eo amin’ny fifandraisan’ny tany roa tonta”, hoy ny ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara, Claire Annette Pierangelo, teny Ivandry, omaly. Nisy ny fanazavana ny […]
Angola sy Madagasikara : Mihamafy ny fiaraha-miasa
Mihamafy hatrany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Angola sy i Madagasikara, indrindra taorian’ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny filoha tany Angola tamin’ny aogositra lasa teo. Fantatra izany tamin’ny nanoloran’ny ambasadaoron’i Angola, Sem Rui Orlando Ferreira De Ceita Da Silva Xavier, hisahana an’i Madagasikara ary honina sy hiasa atsy Afrika Atsimo, […]
Andrianjava Serge: « Misy ambadika ny fanaovana politika hoe tsy miankina »
Mihamahazo vahana ny hoe tsy miankina amin’ny fanaovana politika amin’ny fiatrehana fifidianana, ohatra. Nahoana? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina izay mpikamban’ny vaomieran’ny fanorenana ifotony teo anivon’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, Andrianjava Serge. Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny antoko politika mihavery hasina amin’ny fifidianana? Andrianjava Serge […]






