Other News

Norobain’ny jiolahy mitam-basy: Lasa ny vola an-tapitrisa, ramatoa iray naratra

Nandrasan’ny jiolahy dimy manao saron-tava sady mitam-piadiana teo an-tokotany ny mpianakavy avy nitety tsena naka vola, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Hidina ny fiara nitondra azy, tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpivarotra tao anatin’ny fiara avy nanangona vola teny an-tsena ireo. […]

Tovolahy tsy salama saina: Nolerany antsy inefatra ny anabaviny

Voatsatoka inefatra tamin’ny antsy, tsy tana ny ain’ny vehivavy iray tao Manjakandriana, afakomaly. Nahavanon-doza ny anadahiny. Nentin’ny fokonolona iala­na nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny tovovavy vao erotrerony tao Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nivoa-dra be loatra vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy io vehivavy io. Miaraka monina amin’ny reniny […]

Faribolana Sandratra : Hanatontosa ny “Hadimiana Sandratra”

Tsy ataon’ny Faribolana Sandratra mandalo fotsiny ny Iray volan’ny teny malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy ry zareo, mandritra ny dimy andro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Trano­mbokim-pirenena Anosy, ny 8 ka hatramin’ny 12 jona izao. “Hadimiana Sandratra” rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika hatao amin’ireo fotoana […]

Sehatra bagasy: Hisesy ny « Atrikefa » sy ny « Zarasehatra »

Hametraka tantara lehibe ho an’ny taranaka any aoriana ny Sehatra bagasy, amin’ity volana jona ity. Araka ny fandaharam-potoana nampitaina, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahina, ao amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro, An­tsahavola, ny “Atrikefa bagasy”. Hiarahana amin’i Salomon (Kintana Telo) izany. Fotoana hamaliana ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL), ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ajesaia. Raha tsy misy ny fiovana farany, ny ekipan’ny Elgeco Plus, tompondaka farany teo, no hihaona amin’ny CFFA ary ny Ajesaia hifanandrina amin’ny Disciples FC Vakinankaratra. Hotanterahina manomboka anio, etsy amin’ ny « Boulodrome Ankatso », ny […]