Notanterahina nandritra ny fivoriana ho an’ny komity nasionaly mitarika ny fandaharanasa Fampandrosoana ny tanàn-dehibe (Padeve), ahitana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, niaraka tamin’ireo minisitera voakasika, ny famaranana ny lisitr’ireo fotodrafitrasa mila havaozina sy hamboarina ao anatin’ny faritra enina. Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara, Antsirabe, Mahajanga sy Toamasina no voakasik’ity […]
Other News
Mialoha ny fampielezan-kevitra : azo atao ny manangona olona hanohana kandidà
“Ny mampahafantatra ny tenany sy ny vinan’asany no azon’ireo mpirotsa-kofidina atao amin’izao, ary manangona olona hanohana azy ireo. Manao ny fombafomba rehetra hananganany ny ekipany hahazoany mandeha amin’ny fampielezan-kevitra izy ireo amin’izany. Tsy voarara izay”. Io ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Tseheno, teny Alarobia, tamin’ny faran’ny herinandro teo, […]
Asa ihany no mahavelona
Ny vola, hono, no fototry ny ratsy rehetra. Na ny fitiavana azy na ny tsy fananana azy… Ny fitadiavana, mahazaka maniraka. Tsy inona fa fahantrana no antony sy fotony. Saika izay fahantrana izay no manosika sy manesika amin’izao karazana asa ratsy tsy ampoizina rehetra izao? Vitan’ny sasany amin’izao izay […]
Safidy: “Mila hazavaina ny fakana didy hitsivolana”
Mbola afaka maka didim-pitsarana ny olona tsy anaty lisi-pifidianana mba hahafahany mifidy. Tokony hisy ny fanazavana misimisy kokoa hisorohana ny tsy fifankahazoan-kevitra. “Mila hazavaina tsara ny amin’ny fakana didy hitsivolana”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, tamin’ny faran’ny […]
TSELATRA
Notanana eny Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ny sakaizan’ny renin’ilay zazalahy kely 11 taona maty novonoina teny Tanjombato. Tratra tao anatin’ny findain’io rangahy io avokoa ny hafatra miafina rehetra nitakiany ny vola ho solon’ny famotsorana ny zanak’ilay ramatoa. Roa lahy hafa niara-notanana aminy.







