Other News

Ambohidratrimo : fasana efatra vaky, very ny taolam-paty

Mirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ankehitriny. Nitrangana vaky fasana efatra indray tany amin’ny fokontany Antsahamaina, kaominina Antanetibe Mahazaza, distrika’Ambohidratrimo, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, ireo razana sy ny taolam-paty am-polony tao amin’ireo fasana. Nahatsikaritra fasana vaky teny an-toerana ny olona sendra nandalo, afakomaly. […]

Kaominina Manazary : olona roa maty nilatsahan’ ny havandra

Nilatsahan’ny havandra, taraiky tao anaty tatatra ny raim-pianakaviana iray ka maty. Ramatoa iray hafa koa lasibatra. Niara-matin’ny havandra tao amin’ny tanànan’ Antsahamaroloa, fo­kon­­­­ta­ny Beapombo, kaominina Manazary, distrikan’i Mi­arina­rivo, ny alatsinainy 11 novambra teo, ny raim-pianakaviana sy ramatoa iray. Na­norana ny andro tao amin’io kaominina io, ny hariva na­nomboka tamin’ny 6 […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Japon, ny 15 hatramin’ny 17 novambra ho avy izao, ny andiany faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja «parkour». Manana atleta roa hisolo tena amin’izany i Madagasikara, dia Rakotoarijaona Dinah sy Ranaivomanana Serge. Tsiahivina fa miisa 100 mahery eo ny mpifanintsana amin’ity fifaninanana ity. Anisan’ireo mandray anjara […]