Other News

TARATRY ny KANTO

“Tsiahy an’i Elie Rajaonarison”. Hotontosaina anio ilay velakevitra iarahana amin’ny Faribolana Sandra­tra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany Ranoe, anisan’ireo indray nihira sady mpiray faribolana tamin’i Elie Rajaonarison. Maromaro ny azo resahana momba ity poeta, mpamoron-kira, akademisianina izay nametraka ny anarany teo amin’ny tontolon’ny […]

Famelomana ny kalon’ny fahiny: mampita fanilo hatrany ny tarika M’iray kalo

Oktobra 2022, teraka ny tarika M’iray Kalo, ivondronan’ireo tanora 15 miandahy tia sy manam-piniavana hanome aina sy hamelona ireo hira teatraly tranainy na ny kalon’ny fahiny. Nomarihan’i Dimby, mpikambana ao amin’ny tarika M’iray kalo fa « tsy voatery ireo efa nahazo taona ihany no afaka miangaly sy mankafy ny kalon’ny fahiny ». Na […]

Talenta vao amin’ny literatiora : hisy fifaninanana manerana an’i Afrika

“Milles Espoirs Africains”. Izay no anaran’ilay fifaninanana literatiora amin’ny teny frantsay, natao hamohazana ireo talenta miafinafina na mbola matory any. Midika ny anarana fa fara fahakeliny misy mpanoratra arivo isa manerana an’i Afrika, mety voakasik’ity fifaninanana ity. Antenaina fa maro amin’ireo ny avy eto Madagasikara, araka ny fampahafantarana nataon’ny solontenan’ny […]

« Sokela, La parole du Sud » : nivoaka omaly ny edisiona faha-14

Voka-pikarohana sy valina fanadihadiana maro indray no nahazo sehatra tamin’ny fivoahan’ny « Sokela, La Parole du Sud », edisiona faha-14. Malagasy maro ihany koa ny ahafantatra zava-baovao ao anatin’izany. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny boky « Sokela la parole du Sud », edisiona faha-14. Pro­fesora sy Mpikaroka ary mpianatra mpikaroka am-polony avy amin’ny […]

TSELATRA

Namoy ny ainy tao Beronono Anjozorobe ny Officier de police iray, omaly maraina. Miasa ao amin’ny Fip Antanimora ity mpitandro filaminana ity saingy namita iraka fampandrian-tany tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Voalaza fa tratran’ny fanapoizinana tamin’ny sakafo izy ka antony nitarika ny fahafatesany. Nivoaka avy ao amin’ny andiany Mandresy teny amin’ny […]