Fandresena ho an’ny tanora malagasy ny fivoriana natrehin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena tatsy Rwanda. Voasafidy hampiantrano ny “Youth Connect Africa 2025” i Madagasikara. Hiteraka asa maro sy ampiditra vola vahiny betsaka izany. Horakorakam-pifaliana no nitsenana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena malagasy, i Marson Moustapha Abdulah, teny […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Maharitra 100 andro ny fe-potoana fambolena vary an-tanety any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana, raha 90 andro ny katsaka. Mandritra ny 150 andro kosa ny vary an-tanety ho an’Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe, raha 120 andro ny fambolena katsaka. Marihina fa miankina […]
Hanatsara ny fitaterana: hiara-hiasa amintsika ny Ejipsianina
Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Ejipta ho fanatsarana ny sehatry ny fitaterana sy ho fampiroboroboana ny firenentsika ho toerana tsara hanaovana fampiasam-bola. Nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny diany tany Ejipta, ny herinandro teo, fa laharam-pahamehan’ny minisitera ny sehatry ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe, ny […]
Vokatra fanondrana: hiakatra ny vidin’ ny letisia
Mihena hatrany amin’ny 50% ny vokatra letisia mandritra ny taom-piotazana 2024-2025 noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Niroso aloha loatra ny taom-piotazana raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Vokany, tsy maintsy hiakatra ny vidim-bokatra eny an-tsena manoloana ny zava-misy. Manodidina ny 18 000 taonina ny vokatra haondrantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary samy efa […]
Lalana Taolagnaro-Ambilobe : efa hita ny 50% ny vola hanaovana ny « Route du soleil »
Fandaharanasa goavana vinavinain’ny fitondram-panjakana ny lalana vita godirao, « La Route du Soleil ». Miainga any Ambovombe, manaraka ny morontsiraka atsinanana ary mipaka any Ambilobe. Maherin’ny 2 000 km ny halavan’ny lalana atao godirao « Route du Soleil ». Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny tafatafa nataony tao amin’ny televizionam-panjakana, ny alahady alina teo, fa […]






