Other News

Fifanakalozana ara-barotra : nankatoavin’i Madagasikara ny fifanarahana Zlecaf

Hitondra tombontsoa ho an’ny mpandraharaha sy hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra ary ny toekarem-pirenena ny fankatoavan’i Madagasikara ny Zlecaf. Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia, ny fankatoavana ny fifanarahana fametrahana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (Zlecaf). Tanjona ny hanamora ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana ao […]

ONUDC : nanolotra solosaina ho an’ny Polisy

Nisitrika solosaina hampiasain’ny polisy amin’ny ady amin’ny famarinan’olona sy ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny zaza ny sampandraharaha ao amin’ny Firenena mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fandikan-dalàna ONUDC, tetsy Anosy, afakomaly. Ny minisiteran’ ny Filaminam-bahoaka, izay nanao ho laharam-pahamehana amin’io ady io. Nanamafy izany rahateo ny Contrôleur géneral de Police […]

Nifanenjehan’ny fokonolona : roa lahy nangalatra kisoa voasambotra

Nosamborin’ny fokonolona ireo roa lahy nilanja kisoa tamin’ny gony tao Antady, fokontany Tsenamasoandro, kaominina Imerintsiatosika, omaly. Vao maraina, nilanja zavatra tamin’ny gony ireo olona roa lahy ireo. Nam­piahiahy ny fihetsik’izy ireo saingy tsy afa-nanao na inona na inona ny olona nahita azy. Namikiviky niova lalana, noho izany, ireo mpangalatra. Nenjehin’ny […]

Sokatra VERY tetsy Tsimbazaza : eo am-pelatanan’ny zandary ireo ahina

Efa eo am-pelatanana sy efa arahi-mason’ny zandarimariam-pirenena mpanao famotorana ireo olona nahiana sy voarohirohy tamin’ny halatra sokatra, Pyxisarachnoides sy Artrochelysradiata, miisa 10, tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny alin’ny talata teo. Olona roa fara fahakeliny no fantatra fa efa voasambotra mahakasika izany. Niditra avy hatrany tamin’ny fikarohana sy fitondrana alika mpitsongo-dia […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny La Colline- Maison sociales des arts Ambatovinaky, ny hetsika « Philosophie de l’art contemporaine ». Velakevitra iarahana amin’ny Dr Razafimandimby Ghislain Antonio, izy ity. Ao anatin’izany no hiresahana ny maha izy ny zavakanto ankehitriny, indrindra manoloana ny fanatontoloana. Eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka […]