Hampiakarina ny saran’ny herinaratra ho an’ny orinasa indostrialy. Fanapahan-kevitra efa nifanarahan’ny fanjakana sy ny Vondrona orinasa tany aloha ity hampiharina ity. Nivoaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, ny 23 oktobra teo, fa nankatoavina ny fanitsiana ny saran’ny herinaratra Jirama, ao anatin’ilay sokajy « Optima Business ». Voakasik’izany ny orinasa indostrialy mampiasa tanjaka […]
Other News
TARATRY ny KANTO
Mr Sayda sy ny zandry Gasy, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Fiarahana hafakely ity hiseho anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Na samy tanora aza mantsy, tsy mitovy gadona sy karazana mozika ny tarika roa tonta. Afaka miaraka tsara mihitsy anefa, satria samy be mpankafy. Mbola hanampy azy ireo […]
« Invitation aux Temps »: tetikasan’Andriantseheno Finoana Ratovo
Hotanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, ny fampirantiana ny tetikasa «Invitation aux Temps». Fampirantiana tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno, laharana faharoa nandritra ny fifaninanana «Prix Paritana» andiany fahavalo, miaraka amin’ny Fondation H. Ity tetikasa ity dia manasa antsika hanaiky ny fiovana sy ny tsingerina voajanahary […]
Saïry : Miaro, mampahalala ary mampiely ny mozika malagasy
Mandalo an-tanindrazana i Rija Randrianivosoa. Ankoatra ny nandraisany anjara tamin’ny fampisehoan’i Lalatiana, nampahafantatra ny asan’ny Saïry Production izy. Natambatry ny mozika Malagasy. Patrick Lavaud, talen’ny “Les Nuits Atypiques” any Langon, izay anisan’ny niketrika ny Feo Gasy niaraka tamin’i Erick Manana. Nadiah Randriamananjara, misehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana zavakanto. Rija Randrianivosoa, […]
Faribolana Sandratra: haseho an-tsehatra ny “Embana”
Embaña, fiteny avy any amin’ny foko Sihanaka any, izay midika hoe “elatra” raha avy ao afovoan-tany no nosafidian’i Nirihaja, Tiavina, Haingohaja, ary Kalo Fanomezana, izay samy mpikambana eo anivon’ny Faribolana Sandratra, ho lohatenin’ny seho izay hotanterahin’izy ireo ao amin’ny CGM/GZ Analakely, ny sabotsy 26 oktobra 2024 amin’ny 3ora tolakandro. Ao […]






