Hifarana rahampitso ny atrikasa tanterahina any Ampefy, ho fanohizana ny asa fanatsarana sy ho fanavaozana ny “Tondron’ny fitantanana ifotony – IGL”. Tafiditra ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina izany. Haroso hankatoavina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany aorian’izao dinikasa izao. Misahana sy miandraikitra izany ny eo […]
Other News
MFM: “Tokony hajanona ny fakana “ordonnance””
“Very zo ve izany ilay olona? Misy tsy mazava aminy ny asan’ny Ceni. Mampieritreritra sy mampatahotra ihany ny zava-misy. Tokony hajanona ny fakana “ordonnance” hahazoana mifidy”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace, manoloana ny fakana didy hitsivolana hahazoana misoratra amin’ny lisi-pifidianana. Efa nofoanana […]
Fihaonana an-tampon’ny SADC: Hanampy an’i Madagasikara i Afrika Atsimo
Hanampy an’i Madagasikara i Afrika Atsimo amin’ny fikarakarana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, aogositra 2025. Fantatra izany taorian’ny fanoloran’ny ambasadaoro vaovaon’i Afrika Atsimo eto Madagasikara ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly. Manana traikefa amin’ny fandraisana fotoan-dehibe toy izany ry zareo. Eo amin’ny fifandraisana […]
Rabevahiny Elia : “Hanahirana raha avela hanjaka ny tsy miankina”
Tato ho ato, mahabe adihevitra eo amin’ny tontolo politika ny fihenan-danjan’ny antoko politika. Na ny fahazoan’ny mahaleo tena na tsy miankina vahana miandalana… Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “Hanahirana raha tsy foana fa avela hanjaka ny tsy miankina, fa ny tombontsoa manokana no lasa mibaiko ny […]
TARATRY ny KANTO
Hivoaka rahampitso ny “Tantara taloha”, hiran’i Rak Roots. Hira efa noforoniny tamin’ny taona 2017 izy ity, izay havoakan’ny tarika natsangany, ho fanomezam-boninahitra ity mpanakanto ity. Tokony hankalaza ny faha-32 taonany rahampitso mantsy i Rak Roots, ka rariny loatra raha hampifanojoana amin’ izay ny fivoahan’ity hira ity. Fanombohana ihany, fa hisy […]






