Other News

Tao anatin’ny telo volana fahatelo : 444 ireo orinasa ara-dalàna niforona

Mitotaly 444 ny antontanisana orinasa nisoratra anarana eo anivon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) tao anatin’ny telo volana fahatelo, ny taona 2024. 82,6% izany dia misehatra eo amin’ny tontolon’ny fanorenana, ny tsena, ny tolotra ary ny niomerika. Porofo izao fa manomboka mahazo vahana eto amintsika ireo sehatra ireo. Na […]

Mila mahay miara-monina

  Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao. Efa nilamindamina ny resaka fijalian-dranon’Antananarivo. Nahavaha amin’ny ampahany betsaka ny olana ny fametrapetrahana barika plastika manerana ny tanàna. Manampy fianakaviana maro ny fivezivezen’ny kamiaobe mpitati-drano. Milamina aloha ny amin’iny na dia vonjy tavanandro sy anenjehana hamehana ihany […]

Vonoan’olona : olona fito naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, omaly, ireo fito lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana teny Imerinkasinina, kaominina Anjeva Gara. Tao Ambalanirana no nitranga ity raharaha vonoan’olona ity, ny 17 oktobra 2024 lasa teo. Nokapain’ireo malaso ny hatony ka nitarika ny fahafatesany. Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana, olona fito […]

Dépôt – Toamasina : tratran’ny polisy ireo zatovo mpifoka rongony

Manao izay ho afany amin’ny famongorana ireo tambajotrana mpanao trafikana zava-mahadomelina ao Toamasina ny polisim-pirenena. Mitsofoka manerana ny lalampasika rehetra. Tao anatin’izany no nahatsikaritra andian-jatovo mody mipetrapetraka eo amoron-dranomasina mifanila amin’ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Dépôt I, Toamasina ny polisy, ny talata teo. Nametraka paikady rahateo ireo mpitandro filaminana […]