“Raha ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ ny fanapahan-kevitra amin’izao: 12 amin’ireo minisitra 29 na 41,6% ao anatin’ny governemanta, 27 amin’ny depiote 163 na 16% ao amin’ny Antenimierampirenena”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevi-pirenen’ny vehivavy eto Madagasikara (CNFM), Andriamasy Marie Estelle, tamin’ny atrikasa nandinihana ny hampiakarana hatrany ny tahan’ny fandraisana […]
Other News
Rakotoamboa Jean-Louis: “Tsy hahavita inona ny mpanohitra”
Nitondra ny heviny manoloana izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna izao ny eo anivon’ny antoko Teza. Manahy izy ireo fa ho sarotra ho an’ny mpanohitra ny fitantanana eto an-dRenivohitra na ho voafidy aza. “Mety ho voafidy ny mpanohitra, fa tsy hahavita na inona na inona”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha […]
VAOVAO TAMBATRA
Niverina nihazo an’i Paris, omaly, ilay fiaramadina AF 934 an’ny kaompania Air France, raha tokony ho nigadona teto Antananarivo tamin’ny alina. Mbola tsy fantatra ny anton’ny zava-misy saingy andrasana ny vaovao mahakasika izany. Tsiahivina fa niainga tao amin’ny seranam-piaramanidinna Charles de Gaulle, omaly tamin’ny 11ora latsaka fahefany, ora any Paris, […]
Fanondranana jirofo : miisa 108 ireo nahazo fahazoan-dalana
Mitotaly 108 ireo mpandraharaha nahafeno fepetra sy nahazo fahazoan-dalana (agrément) hanondrana jirofo, ho amin’ny taom-panondranana 2024-2025, araka ny lisitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic). Hita tao anatin’izay fa miisa 38 ireo tafiditra ao anatin’ny sokajy indostria raha toa ka 70 kosa ireo voasokajy ho « artisan ». Manankery […]
Fampiasana angovo azo havaozina : vehivavy 15 nisitraka fampiofanana
Taorian’ny fampiofanana momba ny fandraharahana, nanaraka fiofanana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque) ireo vehivavy 15 isa avy eto amin’ny faritra Analamanga sy Atsimo Andrefana. Ankehitriny, afaka manangana sy mikojakoja ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy mampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa tantaniny izy 15 mirahavavy. […]






