Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ity fifaninanana ara-panatanjahantena, vehivavy, ho an’ny firenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika ity, i Madagasikara. Ao amin’ny vondrona « B » no misy azy ireo. Hotanterahina manomboka anio, any Afrika Atsimo, ny fifanintsanana baolina kitra, sokajy vehivavy, Cosafa 2024. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny komity mpikarakara ny fifaninanana, rahampitso […]
Other News
Fiarovana ny tontolo iainana: miantso ny hampiharana ny SPANB ny WWF
Firenena anisan’ireo nanaiky ny hampitsahatra sy hanova ny fahaverezan’ny tontolo voajanahary mialoha ny taona 2030, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny cadre mondial pour la biodiversité de Kunming-Montréal en 2022, i Madagasika,. Noho izany, tokony haneho fahavononana ara-politika sy hanolotra paikady sy drafi-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (SPANB) azo tanterahina ireo firenena […]
Fampiroboroboana ny jono madinika : 82 tapitrisa dolara ny filàna ara-bola anatin’ny 5 taona
Mitotaly hatrany amin’ny 82 637 000 dolara ny filàna entina mampiroborobo ny jono madinika eto Madagasikara, ao anatin’ny dimy taona. Singa iray mamaritra ny toekarena manga ny jono madinika an-dranomasina sy an-tanety ka ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny tsy fananan’asa ary ny ady amin’ ny fahantrana amin’ny ankapobeny. Noho izany, napetraka […]
Sehatra tsy miankina: Nampahafantarina ny CEO Summit
Hotanterahina eto Antananarivo, ny 5 sy 6 desambra ho avy izao, ny CEO Summit, hetsika ara-toekarena miavaka. Nampahafantarina tany Maorisy, ny 14 sy 15 oktobra lasa teo, ity fihaonana an-tampony ity, ary ny 16 sy 17 oktobra, ny tao amin’ny Nosy La Réunion. Natokana ho an’ireo mpandraharaha avy eto Madagasikara […]
« Tetikasa Betsaka » : handalina ny fiantraikan’ny fiarovana ny tontolo ianana
Miara-miasa ao anatin’ny tetikasa « Biodiversity-Economic Trade-off and Synergy Assessments for Conservation Areas » (Betsaka) ny Institut de recherche pour le développement (IRD) sy ny Oniversiten’Antananarivo. Jerena manokana ny fiantraikan’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Fikarohana mahakasika ny fiantraikan’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny faritra arovana eo amin’ny olona monina […]






