Namoy ny ainy vokatry ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka ny mpikatroka taranja Morengy tao Ambanja, afakomaly tolakandro. Nanatontosa fifaninanana tao amin’ny kianja Monisipaly tao Sambirano Ambanja ny tomponandraikitry ny federasionina Moraingy, tamin’io faran’ny herinandro io. Nifanandrina nandritra izany i Bruano avy any Antsifitra, kaominina Benavony, distrikan’Ambanja sy Julio “Jobilahibe”, avy […]
Other News
Zaza efa-taona voaolana : Mpampianatra misotro ronono saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny lahiantitra iray teny Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly. Voalaza fa nanolan-jazavavy efa-taona izy. Nodarodarohan’ny fokonolona, vaky loha, voatery notsaboina ny lehilahy iray efa misotro ronono teny Ambany Atsimo, fokontany Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’ Avaradrano, afakomaly. Voalaza fa nanolana zazavavikely vao efa-taona monja izy. Maika nampiakatra […]
Fanakatonana ny 45 taona an-tsehatra: Namelon-kasina ny kanto malagasy i Olombelo Ricky
Tao anatin’ny taona naharitra… Nitazona ny maha izy azy. Namelatra ny kanto ataony. Nanome lanja ireo mpitia ny sanganasany i Olombelo Ricky. Noporofoiny, omaly, avokoa ireo. Nofaranana, omaly, tamin’ny fampisehoana goavana notanterahina teny amin’ny Coliséum Antsonjombe Analamahitsy, ny fankalazana ny faha-45 taona an-tsehatra nataony. Tamin’ny ankapobeny, nirindra araka ny fampanantenana […]
« Tsapiky Festival» : Nanehoana fiaraha-mientana tao Toliara
Nafana tamin’ireo hetsika maro samihafa i Toliara nandritra ny « Tsapiky Festival». Raha ny zavakanto sy ny kolontsaina no azo lazaina ho fototra, tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa ny lafiny hafa. Tsy fankalazana gadona manokana fotsiny fa fanandratana ny endri-kolontsaina rehetra ny « Tsapiky Festival». Iray anatin’izany ny fikoloana ny firaisankina amin’ny […]
ASIEF 2026 : Tsy misy fiovana ny fifaninanana
Manoloana ny tsaho miely mahakasika ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires (Asief), nanao fanambarana ny birao mandrafitra azy ireo, ny sabotsy lasa teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manaiky izany fanelezana tsaho izany izy ireo ary manamafy fa tsy misy fiovana ny fandaharam-potoana hotanterahina any Manakara, amin’ny volana […]






