Ambanja : Mpikatroka Moraingy namoy ny ainy

Namoy ny ainy vokatry ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka ny mpikatroka taranja Morengy tao Ambanja, afakomaly tolakandro. Nanatontosa fifaninanana tao amin’ny kianja Monisipaly tao Sambirano Ambanja ny tomponandraikitry ny federasionina Moraingy, tamin’io faran’ny herinandro io. Nifanandrina nandritra izany i Bruano avy any Antsifitra, kaominina Benavony, distrikan’Ambanja sy Julio “Jobilahibe”, avy ao Ankingameloka, Ambanja. Nifampitana nandritra ny minitra vitsy ireo mpifanandrina ireo. Voadaroka tampoka anefa i Bruano ka torana tsy nahatsiaro tena. Nofaranan’ny mpitsara lalao avy hatrany ny lalao ary nifamonjena ilay mpikatroka lavo. Nandray an-tanana azy ny mpitsabo ary nentina teny anivon’ny CHRD Ambanja io mpanao moraingy niharam-boina io. Tsy tanà anefa ny ain’ity farany. Marihina fa nandritra ny hetsika ofisialy fanokana ny Moraingy tao Ambanja io nahafaty an’i Bruano io.

Tsiferana R.

Partager sur: