Voasambotry ny polisy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka (Cybercriminalité), teny Tanjombato, ny talata teo, ny lehilahy iray mpisoloky amin’ny alalan’ny facebook. Mody mitady sarina vehivavy ao amin’ny facebook izy ka mamorona kaonty sandoka. Mampiresaka lehilahy nofidiany mialoha izy ka hanaovany resaka miendrika fivarotan-tena miaraka amin’ny sarin’ireo vehivavy […]
Other News
Fisolokiana amin’ny resaka tany : naiditra am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny boriborintany iray
Endrika fisolokiana amin’ny resaka tany hafa indray ny teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano. Voarohirohy amin’izany ny lehiben’ny boriborintany iray. Nahazo fitarainana ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco) fa misy ny fiahiahiana kolikoly, fanamparam-pahefana, hosoka mifandray amin’ny fanaovana taratasim-pandovana hosoka, nataon’ny mpiasan’ny boriborintany ao amin’ny distrika Avaradrano. Nangataka didim-pitsarana hizakana fananantany […]
VAOVAO TAMBATRA
Mirefy 15 km amin’ny 75 km ny lalana efa vita godirao any amin’ny lalam-pirenena RN5. Miainga eo Soanierana Ivongo hatrany Vahibe, ka efa nahitana fiovana ny 45 km. Miara-miombon’antoka mamatsy vola ny asa ny Badea, ny FSD, ny ADFD, ny Opep Found, ny FKDEA ary ny fanjakana malagasy. Miisa 8 […]
VOKATRA Lomotra : hampitomboina 30 000 taonina, amin’ny 2030
« Hampakarina 30 000 taonina ny vokatra lomotra maina eto amintsika amin’ny taona 2030 raha toa ka manodidina ny 3 000 t izany amin’izao fotoana ». Io ny nambaran’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, tetsy amin’ny Café de la Gare Soarano, nandritra ny atrikasam-pirenena ho fampiroboroboana ny fambolena lomotra […]
Fampandrosoana : hiara-hiasa i Torkia sy i Madagasikara
Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny tale misahana an’i Afrika Atsinanana ao anatin’ny vondrona Aser, Enes Ozcan, ny alakamisy teo, ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Aser Technology. Nitodika tamin’ny fanamafisana ny teknolojia eo amin’ireo sehatra maro ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny diniky ny roa […]






