Other News

Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy atao ny fanendrena lefitra PDS roa”

“Tsy maintsy itadiavana vahaolana hisolo azy izay nametra-pialana. Tsy maintsy manao ny fanendrena ny lefitry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Antanana­rivo Renivohitra, ny fanjakana”. Io ny fanazavan’ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ra­velonarivo Angelo, teny Tsim­bazaza, omaly, manoloana ny fametraham-pialan’ny PDS teo aloha, Ramanantsoa Hari­lala, noho ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna […]

Mila manova fomba fisaina

  Hita iny ny vahaolana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Nasehony hatrany amin’ny fizaran-drano ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miezaka ny miatrika ny hamehana arakaraka ny hodidina izy. Ny rano manakaiky vahoaka, fa tsy ny vahoaka intsony no handahatra bidon  mavo. Mibaribary ny finiavany hitondra vahaolana, tsy hiandrasana ny hafa. Manoloana izany, mba […]

Ady amin’ny kolikoly sy ny mpanera : nohamoraina ny fandraisana olona eny amin’ny fitsarana

Nitondrana fanavaozana sy fanatsarana fomba fiasa ny nametrahana kioska, handraisana ny torohay ho an’ireo manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Iarahana amin’ny fandaharanasa Rindra izany. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­man­dimby Benjamin Alexis, omaly, tetsy Anosy fa manana zo handeha ho eny amin’ny fitsarana ny rehetra. Matetika anefa matahotra ny olona na koa […]

Fanafihan-jiolahy : ramatoa 63 taona maty voatifitra

Renim-pianakaviana iray 63 taona maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ambohinorina, kaominina Betafo, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny ny tanàna, ireo mpandroba. Nangorona ny omby rehetra tao am-bala izy ireo. Tamin’io fotoana io indrindra, notifirin’ireo tsy mataho-tody ity ramatoa lasibatra ity. Nidarabako […]

Tratran’ny fitsaram-bahoaka: lehilahy iray nisandoka ho zandary

Haingana ny fahatongavan’ny zandary nisambotra azy fa raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Ramilison Jean Emile, nisandoka ho zandary tao Tanambao fahadimy Toa­ma­sina, omaly. Manery ireo olona handoa vola tsy ara-drariny aminy izy. Tonga teny amin’ny faritra misy ireo mpivarotra finday ao Tanambao fahadimy ity […]