Other News

Basikety-YOUTH CAMP 2024 : tanora 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Hatao manomboka ny 14 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Afrika Youth Camp 2024”, taranja basikety. Manana solontena efatra mianadahy i Madagasikara. Nampahafatarin’ny Fede­rasiona malagasy, ta­min’ny alalan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, ny talata lasa teo ireo tanora efatra mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fiofanana karakarain’ny Fiba Afrika miaraka amin’ny […]

PAMF: hanome vahana ny tolotra niomerika

Hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Ireo no tanjona apetraky ny Première Agence de Microfinance (PAMF). Laharaham-pahamehany ny hanamorana ny fikirakirana vola eto Madagasikara, ny hampiroborobo ny toekarena sy hanakaiky ny mpanjifa indrindra ireo toerana any an-tany lavitra. «Tanjona ny hahamatihanina ny fifandraisana amin’ny mpanjifa», hoy […]

Olan’ny Jiro sy Rano eto an-drenivohitra : hitondra vahaolana, anio, ny filohan’ny Repoblika!

”Olan’ny jiro sy rano: rahampitso ( anio) ihany dia hitondra vahaolana ho an’Antananarivo Renivohitra aho”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Sasa-miandry ny vahoaka ! Nanisy fanamarihina ma­ha­kasika ny olana amin’ny jiro sy rano, ny filoha Rajoelina, omaly, ankoatra ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana «scanner» teny amin’ny Hopitaly Manara-penitra Andohatapenaka. Nam­barany fa, […]

Ady amin’ny kolikoly : hojerena manokana ny zon’olombelona

“Taloha, rehefa miresaka ady amin’ny kolikoly: tsy jerena loatra ny fiantraikany amin’ ny zon’olombelona. Nefa misy fiantraikany be dia be ny tsy fahazoan’ny vahoaka ny zony, araka ny Lalàmpanorenana: any amin’ny fampianarana, ohatra, ny fahasalamana, ny fitsarana, ny fananan-tany”. Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahi­tsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, […]