Tontosa omaly, tany Le Caire, Egypta, ny antsapaka ahafantarana ny anaran’ireo firenena miray vondrona amin’ny fifanintsanana Can 2027. Hiara-kiady ny tapakila tokana, i Madagasikara, i Nizeria ary i Guinée Bissau. Efa tafita kosa i Tanzanie. “Fito taona aty aoriana!” Miray vondrona « L » amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara ny Super Eagles […]
Other News
“Cabaret nostalgique”-Kaiamba tena izy : Ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira
Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy maro be tsy nahafoy efa an-taonany maro ny vazo Kaiamba. Io no antony nanosika ny mpikarakara ny “Cabaret nostalgique” Kaiamba tena izy hisafidy fa « ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira amin’ity indray mitoraka ity ». Seho takariva an-kira tanterahina etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny zoma […]
TARATRY ny KANTO
Tsy ara-dalàna ny fanapariahana sy fandefasana sanganasa, sary, feo votoatiny ara-kanto, namboarina na novaina tamin’ny alalan’ny « intelligence artificielle ». Io ny votoatin’ny taratasy nalefan’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, tamin’ireo talen’ny haino aman-jery rehetra. Fampahafantarana miharo fandrarana izy ity, satria tsikaritra fa misy haino aman-jery mandefa ireo hira na […]
Chorale Orimbato Ambatonakanga: Hamelona ireo hira fahizay ao Andafiavaratra
Hira sy soradihy tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Nanamarika ny vanim-potoana nidiran’ny fivavahana kristianina ihany koa no halahatry ny Orimbato avy ao Ambatonakanga, eny Andafiavaratra. Hetsika ara-pinoana, ara-kolontsaina ary mivoy ny tantara. Izay no tanjona amin’ny kaonseritra miavaka izay hotontosain’ny Chorale Orimbato Ambatonakanga, ny zoma 5 jona izao, manomboka amin’ny 7 […]
Aero Expo eny Ivato: Fampisehoana ny tontolo ana habakabaka
Hatao ny 30 sy 31 mey ho avy izao, eny amin’ny Vondron-tafika Helikoptera Ivato, ny hetsika goavana manodidina ny tontolo ana habakabaka, “Aero Expo 2026”. Andiany faharoa ity hetsika ity, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Tafika ana habakabaka malagasy. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka manohana azy manokana ny orinasa Yas […]






