Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy maro be tsy nahafoy efa an-taonany maro ny vazo Kaiamba. Io no antony nanosika ny mpikarakara ny “Cabaret nostalgique” Kaiamba tena izy hisafidy fa « ireo mpankafy no mandrafitra ny fandaharan-kira amin’ity indray mitoraka ity ». Seho takariva an-kira tanterahina etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny zoma 22 mey ho avy izao, hanomboka amin’ny 5 ora hariva.
Ho tazana eny an-tsehatra i Prosh’ely, Ozah Jérôme, Jean kely, Zozo Mananjary, Jacky Edmé, Rosemonde, Julien Raminia ary i Apponame. Ireo vazo kaiamba tsy mety afaka am-bavan’ny maro (Taona 1960… Taona 1990) hiampy indran-kira sy vahiny hiangalian’ny Groupe Prosh’ ely sy ny Kaiamba tena izy no hahazo laka eny an-toerana. Anisan’ny haneho ny talentany ihany koa ireo tanora manompana ny asa fikarohana ataony ho amin’ny fampiarahana ny Kaiamba amin’ny gadon-kira hafa.
… Na teo aza ireo taona maro nifandimby, ny vazo kaiamba tsy mba lefin’izany. Porofo iray maneho fa manana fototra mafy sy matanjaka izy ity. Tafapaka any amin’ny Malagasy ny hakantony. Fantatra fa ny Studio Apponame no mikarakara ity « Cabaret nostalgique » Kaiamba tena izy ity.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto




