Other News

Faribolana Sandratra 35 taona :15 hiatrika famaranana antsa tononkalo

“Andeha isika hamorona olona tahaka antsika”… Io ny lohahevitra amin’ilay fifaninanana karakarain’ny Faribolana Sandratra, tafiditra anaty fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Hiatrika famaranana amin’ny fiantsana tononkalo ireo 15 mianadahy tafakatra tamin’ny fifaninanana andiany voalohany, tetsy amin’ny CGM Analakely, ny volana aogositra lasa teo. Tsiahivina fa tsy ao anaty Faribolana Sandratra […]

Fampiroboroboana ny indostria : miara-miasa ny SIM sy ny fanjakana

Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM). Nifampidinika ny lalan-tsaina hampandrosoana ny sehatry ny indostria eto amin­tsika ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (Mic), Ralambofiringa David, sy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana, nandritra ny fihaonany tetsy Ambohidahy, […]

VAOVAO TAMBATRA

Hopotehina avokoa ireo vary stock 161 gony sy vary gasy 40 gony simba, taorian’ny fahavakisan’ ilay sambo nitondra azy. Vaky teo anelanelan’i Foul­pointe sy Mahambo, tamin’ny herinandro, iofitaovam-pitaterana io saingy niezaka ka tody soamantsara teny amorontsirak’i Mahambo ihany. Betsaka ireo entana nariana, teo koa ireo simba. Nanaiky ny hamotehana ireo […]

Haintany : may ny alan’Angavokely

Nirehitra efa nanomboka ny alatsinainy 9 septambra teo ny Tahirin’ala eny Angavokely, distrika Manjakandriana. Na­fana ny andro, nitsoaka ny rivotra, ka sarotra ny namonoana azy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, niisa 27 ny lohan’afo hita, ary tombanana fa mety niniana natao. Nihetsika daholo ny fokonolona sy ny komitin’ny Ala […]

Incubateur d’énergie durable (IED) : tohana ho an’ny angovo maharitra

Tanora mpikaroka sy mpandraharaha miisa 15 no nitady ny fomba hampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Hisitraka izany ny tokantrano maro. Anisan’ireo fanamby lehibe eto Madagasikara ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy ny fahafahan’ny tokantrano hisitraka izany. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Gara Soarano, ireo tetikasa 15 voafantina […]