Mampimenomenona ny ankamaroan’ny mpandeha sy ny mpitatitra ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena eto amin’ny Nosy. Raha ho an’ny lalam-pirenena fahadimy manokana, fiara tsy latsaky ny 10 ireo misedra olana manoloana izany. Zato kilometatra miainga eo Toamasina ny halaviran-dalana misy an’i Fenoarivo Atsinanana, izay renivohitr’Analanjirofo. Mahatratra 8 andro be izao ny faharetan’ny […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa tokony hivoaka ny talata 8 oktobra izao, farafahatarany, ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. Hotanterahina eny anivon’ny rantsan’ny Ceni, ny alarobia 9 oktobra, tapany maraina kosa ny fisarihana ny laharan’ny kandidà tsirairay avy ao anatin’ny biletà tokana. Hentitra i Fanirisoa Ernaivo […]
Rakotovao Rivo : “Tsy misy olana eo anivon’ny Firaisankina”
Nilamina ihany… “Tsy misy olana eo anivon’ny Firaisankina, raha ny antoko efatra: ny HVM, ny Tim, ny Antoko politika madio, ny Tsara tahafina.” Izay ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, tany Mahajanga, omaly, ny amin’ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna, Mahajanga I. Tsy mirotsaka amin’ny anaran’ny Firaisankina izy, fa amin’ny […]
May ambondrona
Nalaza ny tarika AmbondronA nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanakoako sy niteraka resabe ny fahafenoany ny Coliseum Antsonjombe. Nisy ny nandray izany ho tsara ka manararaotra ny nanao dokambarotra, nampiakarana ny laza. Misy ny namadika ho zava-dratsy, fa mbola nentina hampalaza sy hampiakatra ny mpanaraka eny amin’ny tambajotran-tserasera. […]
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : nohamoraina ny fahazoana taratasin-tany
Fanatsarana sy fanovana ny fomba fiasa eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana. Anisan’ny ao anatin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nidina ifotony nijery akaiky ny fandrosoan’ny asa momba izany tany amin’ ny distrikan’i Nosy Be ny delegasionin’ny minisitera, notarihin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany fa […]






