Other News

VAOVAO TAMBATRA

Misongadina i Madagasikara mandritra ny hetsika “International French Travel Market (IFTM)”, atao any Paris, ny 17-19 septambra. Nampahafantarina ireo tolotra momba ny fizahantany swy hanatanterahina fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra eto an-toerana sy any ivelany ho an’ny fampiroboroboana sy fampahafantarana ny Nosy malagasy. Mandeha ny fandrakofana godirao ny lalam-pirenena 12A, ampahany […]

Tosika ho an’ny famokarana : mifanome tanana ny fanjakana sy ny ESSA

Miantsehatra eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy ma­nohy ny fikarohana avokoa ireo injeniera nivoaka avy eny amin’ny Sekoly ambony momba ny Hay famokarana sy ny zava­boahary (ESSA), eny anivon’ ny Oniversiten’Anta­na­na­rivo. Manome lanja ny fampiana­rana ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanjarian-tsakafo ny ESSA, amin’ny alalan’ireo voka-pikarohana sy […]

Faly mifanambaka

  Natao ihany ny hangina manoloana ny fizotry ny andavanandron-dRamalagasy fa tsy maintsy miteny. Arakaraka ny nivoizana sy nametrahana minisitera mpiahy ny Firai­sankina no mainka manao valala an-karona ny mpiray tanàna sy ny mpianakavy. Mahakivy ny mahita ny zava-mitranga any anaty fiarahamonina rehetra any. Mahazo vahana ny mpihavana, na ny […]

Tetikasa Afafi Avaratra: nivoatra ny fiharian’ny mpamokatra

Manatanteraka ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirim-bola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Birao tantsoroka ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (Bace). Mitentina 492 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara. Ao anatin’ny sehatra to­hanan’ny Vondrona eoropanina ny fampandrosoana eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fandaharanasa Rindra. Manatanteraka azy ny Bace, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toeka­rena […]

TSELATRA

Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny kaominina Bemahatazana, Tsiroanomandidy, afakomaly, i Bela, dahalo raindahiny amin’ny fanafihana sy fanakanan- dalana. Niafina tao amin’ny kizo ao Marofoty izy sy ireo namany no nifanehatra tamin’ny zandary. Teo am-pitsoahana ny kizo izy no maty voatifitra.