Nanatitra ny antontan-taratasiny teny amin’ny biraon’ny Ovec Ambohidratrimo, omaly maraina, ny kandidà tsy miankina, Rabary Hery, filohan’ny Zanak’Ambohidratrimo miray (Zam). Izy no voalohany fantatra fa hilatsaka ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nilaza ny filohan’ny Ovec eny an-toerana, fa mitazona ny datin’ny 19 septambra ny Ceni Ambohidratrimo hatreto. Nambaran’ny […]
Other News
Nandriaka ny ra : Moto nifandona, roa lahy indray maty
Maty tsy tra-drano ireo roa lahy nandeha moto nifandona tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Mafy ny fifandonana ka samy niara-namoy ny ainy ireo mpitondra moto… Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Ampihaviana Antsirabe, afakomaly alina. Moto roa nifandona. Maty tsy tra-drano ireo mpitondra moto roa lahy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, moto […]
VAOVAO TAMBATRA
307 000 taonina isan-taona ny filana trondro eto Madagasika saingy mbola tsy mihoatra ny 142 000 taonina ny vokatra azontsika. Manome tohana ho fampakarana ny vokatra ny minisitera amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanampiana ny akora ilaina ka nampitombo ny isan’ny mpiompy trondro ho 30 800. Haingam-pitombo sy mora lehibe ireo karazan’omby Montbéliard nampirantiana […]
Amoron’i Onilahy ; mampitombo ny velontena ny fiompiana trondro
Mizaka ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny mponina ao amin’ny faritra Amoron’i Onilahy, any atsimo andrefan’ny Nosy. Mivelona amin’ny fambolena ny ankamaroan’izy ireo saingy ambany ny fidiram-bolany. Antony mahatonga ny mponina mitady vahaolana maharitra ampiasana ny loharano any an-toerana. Nampiofanina momba ny fiompiana trondro an-dobo sy fiompiana trondro an-tanimbary ireo […]
Seranan’Ivato : fampirantiana an-tsary ny Renivohitra
Ny omaly sy ny ankehitriny! Misy fampirantiana sary miavaka miisa 20 eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato, nanomboka omaly hatramin’ny 20 novambra. Nomena ny lohahevitra « Oroka mamy ho an’Antananarivo » na « Bon baiser de Tana » ny hetsika. Miaraka mikarakara azy ny Fondation banky BOA, ny Ravinala Airports ary ny Cité des Fleurs, […]






