Hanomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy Petit Palais Mahamasina ny dingana faran’ny Elites 8. Fifaninanam-pirenena N1A, sokajy lehilahy sy vehivavy, taranja basikety. Fantatra taorian’ny fivoriana ara-teknika, natao omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, fa lalao valo avy hatrany no hanombohana ny fifaninanana ho amin’ny anio. Hifandona voalohany, ny ekipan’ny […]
Other News
Rakotondravelo Hajatiana Martin : ho kandidà ben’ny Tanànan’ i Talatamaty
Tontosa omaly, teny amin’ ny biraon’ny Ovec Ambohidratrimo, ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidian-dRakotondravelo Hajatiana Martin. Ao amin’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, izy no nirotsaka ho ben’ny Tanàna, ary amin’ny alalan’ny tsy miankina. Ankoatra ny fahareseny lahatra manokana sy ny fahatsapany ny zava-misy iainan’ny kaominina, nanosika azy hirotsaka hofidiana koa ny fangatahan’ireo […]
Parlemantera Malagasy sy Sinoa: hivelatra ny fiaraha-miasan’ ny roa tonta
Nitsidika ny Antenimierandoholona malagasy, eny Anosy, ireo delegasionina Sinoa, ahitana parlemanta avy amin’ny « Assemblée populaire de Chine », omaly. Fitsidihina tafiditra ao anatin’ny fivahinianany eto Madagasikara. Ankoatra ny fitsidihina ny Lapan’ny Antenimierandoholona, nisy ihany koa ny tafatafa teo amin’ny tomponandraikitry ny Antenimierandoholona malagasy sy ireo Parlemanta Sinoa ireto. Tao anatin’izany no namelabelarana […]
Fivoriambe faha-79 ny Firenena Mikambana : niantso ny rehetra hiray hina sy hiombona i Antonio Guterres
Nifantoka kokoa tamin’ny fanentanana ireo mpitondra fanjakana hitambatra ho tombotsoan’ny taranaka ho avy sy fametrahana hoavy tsaratsara kokoa, ny lahatenin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana. Tanterahina any New York, ny 22 hatramin’ny 27 septambra 2024, ny fivoriambe faha-79 ny Firenena mikambana. Nandritra ny kabarin’i Antonio Guterres, Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana no […]
Firotsahana Ben’ny Tanana: Mbola azo atao ny mitory
Na feno na tsia ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, mijanona anio amin’ny 5 ora hariva ny fandraisana izany eny amin’ny Ovec. Araka ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Rakotondrasoa Seheno, teny Alarobia, omaly. Aorian’izay, manana 72 ora handraisana fanapahan-kevitra ny Ovec. Aorian’izay hampahafantarina ny lisitr’ireo mirotsa-kofidina hahazoan’izy ireo manao ny ambaratongam-pitarainana amin’ny […]






