Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Mahasoa II, kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, afakomaly. Nanafika mpiompy omby tao amin’io fokontany io ny olon-dratsy miisa fito. Nahare ny fisian’io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Namoaka basy ary nanambana ny iray tamin’ireo jiolahy. […]
Other News
Rio Tinto QMM : nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra
Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 258 ao amin’ny kaominina valo, ao amin’ny disitrikan’i Tolagnaro, omaly, ny Rio Tinto QMM. Nandritra ny taona maro, nandray andraikitra tamin’ny alalan’ny fanaovana hetsika maro ny Rio Tinto QMM mba hanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana misy eto amin’ny Nosy. Mba hanenana ny […]
Fandraharahana: tokony hifanakalo hevitra ny mpandraharaha
“Tanàn-dehibe manan-karena orinasa Antsirabe, saingy marary ny orinasa ary marefo ny toekaren’ny faritra. Vahaolana ny fiaraha-mientana, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo samy mpandraharaha”, hoy ny filohan’ny Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra (Fiova), Ramarojaona Andrianjafy, nandritra ny fanokafana ny hetsika «Vitrine du Vakinankaratra» andiany faha-26, ny herinandro teo. Mitondra lohahevitra amin’izao hetsika izao ny […]
Fivoriambe Africa 50: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa
Hotanterahina ny 19 septambra, eto Antananarivo, ny fivoriambe Africa 50 izay handraisan’ireo tomponandraiki-panjakana anjara sy mpamatsy vola samihafa. Laharam-pahamehan’ny Africa 50 ny fametrahana fotodrafitrasa aty Africa. Sehatra iray lehibe sy fitaovana fampiharana vaovao ho an’ny fampandrosoana sy famatsiam-bolan’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Ifantohan’ny Arica 50 manokana ny sehatry […]
« WorldSkills 2024 »: Hifantoka amin’ny tontolon’ ny fanorenana sy ny teknolojia
Nanomboka omaly, ka hatramin’ny alahady 15 septambra izao, ny hetsika “WorldSkills 2024” izay atao any Lyon-Frantsa. Lalao Olympika ho an’ny asa tanana ny hetsika ka tanora manana talenta avy amin’ny sehatra matihanina samihafa manerana izao tontolo izao no mandray anjara amin’izany. Handray anjara amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny teknolojia […]







