Mitohy ny fametrahana amin’ny toerany sy ny samboadin’ireo depiote. Anisan’izany ny tany amin’ny faritra Bongolava. Notanterahina ny 30 aogositra teo ny fametrahana samboady ho an’ny solombavambahoaka, Randrianarisoa Bien Aimé, voafidy ao amin’ny distrikan’ i Fenoarivobe, faritra Bongolava. Nohamafisiny tamin’izany ny hanatanterahany ireo toky nomeny ny vahoaka any an-toerana nandritra ny […]
Other News
LTP Alarobia: misokatra ny fampiofanana ho teknisianina photovoltaïque
Hisokatra eny amin’ny Lycée teknika Alarobia (LTP), amin’ny taom-pianarana 2024-2025, ny fiofanana ho teknisianina amin’ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque). Hianatra mandritra ny valo volana, izay hanomboka ny volana oktobra izao, ireo mpianatra ka atao any amin’ny toeram-pianarana ny 40% ny fiofanana, raha atao eny anivon’ny orinasa mpiara-miombon’antoka […]
Sendikan’ny indostria eto Madagasikara : mitondra fanavaozana anatin’ ny tranokalany
Manakaiky ny orinasa sy ireo mpisehatra samihafa ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) ka nitondra fanavaozana ao anatin’ny tranokalany. Tanjona apetraky ny Sim ny hampiroborobo ny toekarena amin’ny alalan’ny indostria. « Dingana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria ny fanavaozana ny tranokalan’ny Sim. Hampahafantatra bebe kokoa momba ireo mpikambana sy […]
Fandraharahana: Hiara-hiasa ny Mic sy ny Gem
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) vaovao, Ralambofiringa David, ny filohan’ny vondron’ny orinasa eto Madagasikara (Gem), Rabarijohn Francis, ny herinandro teo. Voaresaka manokana ny fanamby sy ny laharam-pahamehan’ny sehatra tsy miankina ary ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Voaresaka koa ny fiarovana ny indostria […]
Fiarovana ny antsantsa sy makoba: natsangana ny drafitra nasionaly ho an’ny fitantanana lovain-jafy
Napetraka ny Drafitra nasionaly ho an’ny fiarovana sy fitantanana lovain-jafy ny antsantsa sy ny makoba (PNCGDRR) eto Madagasikara mba hiantohana azy ireo, noho izy ireo miantoka ny tontolo an-dranomasina. Nampahafantarany omaly, teny Antaninarenina, ny Drafitra nasionaly ho an’ny fiarovana sy fitantanana lovain-jafy ny antsantsa sy makoba (PNCGDRR) eto Madagasikara. Harena […]






