Other News

Fiombonana : “Lasa misy fifanitsahana andraikitra eo amin’ny governemanta”

Iangaviana ny tomponandraikitra, indrindra ny lehiben’ny governemanta, mba hametraka izay tena andraikitra sahanin’ny sekreteram-panjakana sy izay andraikitra sahanin’ny minisitra. “Lasa miteraka fifanitsahana andraikitra izay eo anivon’ny fitantanana minisitera iray”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiom­bonana, Retogniane Durlin, momba ny fisian’ny minisitra sy sekreteram-panjakana misahana raharaha iray eo anivon’ny […]

TSELATRA

Miaramila zazavao naiditra am-ponja, afakomaly, noho ny famonoana teratany vahiny iray tao Toamasina. Nahazo fahafahana ny olona roa mpiambina tsy lavitry ny trano fandraisam-bahiny iray nitrangan’ny vono olona ny 19 aogositra lasa teo. Miroso amin’ny fisamborana ireo voasaringotra amin’ny fakana an-keriny ao Anjozorobe ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Olona iray […]

Ambatondrazaka: mpisoloky efatra voasambotra

Olona efatra nilaza ho mahay mampitombo vola avo telo heny voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambohimasina, kaominina Ambatondrazaka, afakomaly. Tafiditra tao anatin’ny vela-pandrika nataon’ireo mpisoloky ny renim-pianakaviana iray. Nahazoan’izy ireo vola nitentina 3 tapitrisa Ar io ramatoa io. Tsy hita intsony anefa ireo mpanambaka andro vitsy taorian’io. Nametraka fitoriana […]

4×4 sy taksiborosy nifandona : efa-mianaka niara-maty

Olona efatra niara-namoy ny ainy teny Ambohimangakely. Vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana sy taksiborosy, ny alin’ny 31 aogosotra teo. Fiara tsy mataho-dalana nifandona tamin’ny taksibrosy teo amin’ny PK 10+ 100, fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely, afakomaly. Nandeha mafy ny fiara 4×4 iray. Tsy nahafehy ny fitaovana nentiny ny mpamily kinanjo […]